ven.
02
juil.
2010
Tsy vitsy ny manam-boninahitra manam-pahaizana eto Madagasikara. Anisan’ireo tena nisongadina tato ho ato ny kolonely Ravalomanana Richard noho ny zavatra vitany. Ireo fanadihadiana sy andraikitra izay nasaina notantanan’ i ty lehi lahy ity dia nahazoana valiny mahafa-po sady haingana. Raharaha fikasihan-tanana zandary teny Ampitatafika : tonga dia fantany mbamin’ny isan’ireo olona nidaroka, adiny roa taty aoriana; Raharaha fikasana hanafika ny lapan’i Mahazoarivo : tsy dila herinandro na 1 volana fa tonga dia sarony hoe ranona sy ranona no atidoha nikotrika, sy ny ivon-toerana fototra nikotrehan’ireo olona azy; Izy irery no nahazo tehaka nirefodrefotra maharitra nandritra ny matso nataony ny faha 26 jona teo iny. Ary ny tena zava-dehibe, mendrika ny ho deraina sy izarana traikefa amin’ny sampan-draharaha any ampita toy ny CIA, FBI , ex KGB... dia ilay fikomiana nataon’ny vondron-tafika FIGN teny amin’ny Mausolée Betongolo : tsy ampy ora 3 na 4 dia efa hitan’io lehilahy mahiratra iray io (na dia tsy profesora aza) ny anaran’ireo atidoha nikotrika nanome vola ireo zandary, ary tsy ampy ora iray indray dia efa voasambotra daholo ireo mpioko miaraka amin’ ireo mpitolona teny.......
Mendrika ny hahazo ny grady faratampon’ny miaramila eto amin’ny firenena mihitsy izy io, noho izany fahaiza-manao tsy manampaharoa izany. Ny hafatra farany dia tokony alefa ho « consultant international » io rangahy io satria mety ho be dia be ny asa soa vitany eo anivon’izao t o n t o l o z a o. Me t y h o alain’ingahy Sarkozy mihitsy izao izy ho mpiandraikitra ny fiambenana ireo filoha asaina mandritra ny fetin’ny faha 14 jolay ho avy io, izy rahateo himatso any. Mety ho voafehiny koa ny fipoahana baomba isan’andro any Espana ataon’ny ETA, na ny fanafoanana ireo vondrona mahery vaika toy ny Mafia any Italia, Triade (Japana), ary ny Guerrilla( Kolombia). Ary rehefa vitany izany rehetra izany dia asaintsika miverina eto izy mba hampianatra ireo manamboninahi t ra namany ho f i f amp i z a r a n - t r a i k e f a amin’ny resaka fiambenana sy fitadiavana olo-meloka sahala amin’ny fanakanana ny bois de rose tsy hiparitaka any ivelany.
Enaro mpanao gazety io no tena fosotra @ ity olana eto Madagasikara ity. Aza mba miteniteny fona nareo eh. Io Kolonely Ra8manana io tsy mendrika an'izany.
Manao ny asany Izy,ny hazo lava halan-drivotra.Ny asa vita no ifampitsarana fa tsy bevava fotsiny hoatry ny sasany,sady tsy manao fa mangalatra fotsiny...!
Raha ny marina no marina dia tena tokony hisava ny rahona mandrakotra an'i Madakasikara raha ireo zava-bitan'io lehilahy io no miparitaka isaky ny tompon'andraikitra eto,saingy tsy misy izay tsy mahalala fa sinema no betsaka,lasa kilalao ny fiainam-pirenena,ny sonia nolavina, ny daty hahemotra lava izao,ny vola ho an'ny mpikambana ao @ FAT milatsaka foana, ny tsy an'asa mitombo, aiza ihany izy ity e!!!!!
hafa ihany izany atao hoe Ra8 !! Hosana ho an'i
zanak'i dada
Raha mandinika tsara ny lahatsoratry ny basy vava
ianareo dia tsy hiteny toy ireo satria ny zava-bitan'io rangahy io dia hanambara fa tsy mahay na inona na inona izy raha jerena t@ fahaizany tany an-toby fianarana ( major foana mantsy izy ) fa
manaonao foana , ohatra fotsiny ny teny Tsimbazaza aiza no hisy sefo hanenjika olona hatreny an-tanimbary raha tsy izy , faharoa taiza no nisy miaramila hamonjy mpanifika ny VIVA eny Ankoron-drano ry
zareo teny Ambohibao dia tany @ Digue ny lalana nefa Ambohimanarina no akaiky an' ANKORONDRANO sa diso ve ny lalana akaiky indrindra . Zay no mahatonga ny basy vava hoe mendrika ny ho lasa ho grady
ambony indrindra ilay kolonely io ary ny ambasady Amerikanina raha tadidintsinka izy raha nanontaniana momba ireny sarina baomba ireny ary mahita hoe ry no misy mametraka baomba sa ve mpaminanina
baomba . Zay no hilazako anareo hoe tsy hiteny ireo isika raha mamaky tsara ny tian'ny basy vava lazaina . Misaotra ry basy vava fa hita marina fa mpanao gazety matianina ianareo mahereza fa ny
Malagasy tsy maintsy tafita fa adalan'izay miziriziry @ hevi-diso.
Tokony ampiana koa ny fahaizany manokana eo amin'ny lafiny baomba ka tokony handefasana azy hizara traik'efa any Etats-unis @ lutte contre le terrorisme.
tokony alefa any Afghanistan ko iny ranga 1 iny fa any zao mila an'azy ny tafika faran t-a-y
Alohany miresaka mba mieritrereta aloha fa za tsy dia milaza hoe iza no nanao ny tsara sy ny ratsy teo aminy firenena fa raha ity gazety Basy vava ity kosa dia gazety farany vendrana eto an- tany.Raha ny safidiko dia mba asiana fanarahamaso io gazety io fa manimba fiarahamonina sy ny taranaka.Aza hadino fa manana andraikitra lehibe nareo mpanao gazety aminy fitaizana ny vahoaka ,indrindra fa ny taranaka satria anie ny antsika izao efa ho vita fa ny ho avin'ireo taranaka ireo jerena.Raha ilaina dia omeko eto ihany ny zavatra tsy mety aminy asa fanaovangazety ataonareo.Mandehana miofana tsara aloha fa tsy rehefa misy mpamatsy vola na iza na iza de manoratra sy manaonao foana.Veloma dia misaotra.
Ho an'i Rakoto!
Ny fanaraha-maso ny gazety iray dia midika ho "censure".Tazony ho anao ny hevitrao fa ny gazety dia malalaka ny fanehoan-keviny (ny manompa olona sy ny mamoaka vaovao tsy marina no fady amin'ny
gazety.
Ianao ary io izao maneho ny hevitrao fa hoe "vendrana" ny Gazety Basyvava.
Sao dia ianao no tokony hasiana fanaraha-maso fa tsy ity gazety ity?
Toy ny entana rehetra hitanao eny an-tsena ny gazety: rehefa tianao dia vidio, raha tsy tianao dia aza vakiana.
Mbola aiza ho aiza @ gazety vahiny ny firesahana olo-malaza iray hataon'ireo gazety gasy?
Mbola lavitra ilay demokrasia tadiavintsika!
Na ny mijery ny sariny aza toy ny saribakolin'i Andry.Ary raha ny zava-bitany dia toy ny nataon'i Rajoelina.Sa ahoana hoy ianareo?
Ho an'i Rakoto
Misaotra anao fa raha izaho no manadihady ny teny nataonao dia ianao no tena ..... aleoko tsy tenenina akory satria matoa ianao miditra ato dia mahatsapa fa ilainao ny gazety basy vava fa raha tsy
tianao io bast vava io dia tsy nanoratra ato akory ianao .Mba alefaso lavitra ny saina vao niteny ary koa avadiho im-pito ny lela vao miteny fa manjary vakian'ny olona fotsiny ny teotranao . Mazotoa
mamaky ny basy vava mba tsy ho lasa basy tsy mipoka Rakoto namana.
Misy olona koa dia tsy maharaka mihitsy oe fanesoana ailay KOLOnely vonga-tay ity no lazain'ny gazety. Ireny no atao oe mpamosavy malemy ka ny vahoaka no mba hainy mamono nefa ny olona tsy misy ilana azy.
Mazava ny tian'ny gazety ho lazaina , fa anjaran'ny mpamaky no mamantatra ny tena votoatiny. Ekena fa mila mahatakatra ny ao ambadiky ny teny...
Ry vahoaka mazava saina !
Miarahaba anareo , tinay sy ankafizinay ity gazety iray ity satria tena mahitsy ary azo hitarafana ny tena demokrasia.
Ny hany teninay MNN dia mbola betsaka ireo maizin-tsaina mila fanilo hanazava azy eto amin'ity nosintsika ity.
Ary ny tena mahazendana dia ny eny an-drenivohitra sy ireo milaza azy ho mivoatra no mivoatra gaigy avokoa.
Mankahery an'ity gazety ity hitondra ilay tena demokrasia ary hanampy ny fanilo hanazava ireo kamo be tenda
i richard anie otran rambo e , ra film de izy no lohany fa raha ny zav-bitany tsy misy , mety io ihany ary no mametraka baomba etsy sy eroa dia izy iahny no mahita azy e , calme enao razoky richard fa ny fiainana anie mandalo e , anoany allez fa an'jehovah ny retour ô ! ho ela velona anie basy vava !!
vaky ny lakozia an'ny zokinay omaly nalahelo aho satria ny zokiko mahantra be.nitantara tamiko izy; isan'andro misy lakozia vaky foana.tsisy azo atao satria ny tena mahantra tsy manana zo hiteny,tena trop le vaky trano ry zareo a.ataovy @nao ny toerana hoe ny lakozia anao ny vaky na ny tranonao ny karama nefa kely,anjaran-tsika no mieritreritra.ary ny gazety basy vava tena tsara fa ze tsy tia aza mamaky.tsy ho avy nga dadanay,hanarina ny gasikara indray
aza mireka amin'ny fo fa miezaha mamantatra amin'ny saina
aza d dokafana le gazety fa tsisy ilana azy za de mankahala maizina ny gazety basy vava sady miteniteny fona no tia maneso olona
