ven.

02

juil.

2010

Asa andro fety: Sao dia tsy rariny e !

Na dia tsy araka ny niandrasana azy aza, nahafaly ny maro ihany ny tapak’andro nomen’ny filohan’ny Fat tsy niasana, ny 25 jona lasa teo. Ny ampitso rahateo efa fety, mitohy ny alahady. Koa inona indray ?

Izahay tsy toy izany ! Nimenomenona ny mpiasan’ny orinasa PMU satria niasa ny 26 jona tontolo andro. Toy ny andavanandro ihany. Dia ahoana koa ny manaraka ? « Tsy vao izay izahay no tratran’izany, hoy ity mpitazona toeram-pivarotana iray any Antsirabe. Efa henonay sahady aza fa amin’ny Krismasy sy Taombaovao koa mbola izy. »......

He r int aona mahe r y kely izao, niver ina teto Madagasikara ilay vazaha nitazona ny orinasa tany am-boalohany. « Io mihitsy no tena mazana, hoy ihany izy. Manampy trotraka koa ny mpiasa eo ambany keliny ao. Toy ny tsy heverina mihitsy ny maha Malagasy sy ny maha olombelona. Saingy io no asa atao, dia iafiana. » Mbola miiisy ! Ankoatra izay, mahavelontaraina ny mpiasa madinika, indrindra ireo mpitazona ny toeram-pivarotana manerana ny Nosy, ny tsy fisian’ny fanavaozana ny fifanarahampiaraha- miasa. « Tany amboalohany, dia nifanaraka ny roa tonta fa efatra andro anaty herinandro no fotoana iasanay. Herintaona mahery kely izao, ny alahady ihany sisa no ijanonay an-trano na ikarakaranay ny ankohonanay. Tsy misy resaka mihitsy anefa ny fanavaozana ny fifanarahana. » Tsy hita fa hajaina izay ananana, satria sarotra ny mila.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra