jeu.

01

juil.

2010

Kitra maneran-tany - Fitsarana amin’ny alalan’ny vidéo

Hodinihan’ny FIFA amin’izay.

Mety hoeken’ny federasiona iraisam-pirenena taranja baolina kitra ihany ny fomba fitsarana amin’ny alalan’ny video. Noho ny fahitana ireo voka-dratsin’ny fitsarana tamin’ity mondial 2010 ity mantsy dia nambaran’ny filohan’ny FIFA, Joseph Sepp Blatter fa hodinihana any amin’ny fivoriamben’ny FIFA manaraka izay atao any Cardiff ny 21 sy 22 jolay izao ny fampiasana sy ny fanekena ny fitsarana amin’ny alalan’ny video. Niaiky mantsy ny komity mpitantana ny FIFA fa efa tafiditra tokoa ilay baolina nodakan’i Lampard nandritra ny fihaonan’ny anglisy sy allemands tamin’ny lalao ampahavalon-dalana ary tena “hors jeu” tokoa i Tevez tamin’ilay baolina voalohany matiny nanoloana ny meksikanina. Niala tsiny tamin’ny anglisy sy meksikanina mivantana moa Ingahy Blatter. Azo heverina hoy ihany ny filohan’ny FIFA ny hametrahana camera kely eo amin’ny tsatoby na tsivalamby mba ahitana mivantana ny fidonan’ny baolina sy ny fidirany na tsia any anaty harato. Mety ihany koa ny hametrahana “puce electronique” kely any anaty baolina. Tapa-kevitra sy niaiky ihany izany ny mpitantana ny federasiona iraisam-pirenena fa ilaina ny fitsarana amin’ny alalan’ny video na dia tsy nanaiky izany izy ireo hatrany am-piandohana.

Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra