jeu.
01
juil.
2010
Voambolana tsy afaka am-bavan-dry zareo vahiny mpandala ny fahalalahana ara-pananahana ny hoe « fessée », kapoka kely in-droa na in-telo eo amin’ny fitombenana, atao mialoha ny firaisana ara-nofo. Ny Anglisy no tena malaza ho mpanao azy, nefa voalaza fa miteraka fahafinaretana hafa ho an’ny mpivady manandrana azy ihany koa ny « fessée ». Sangisangy fotsiny ihany kosa no hanaovan’ny lehilahy Malagasy azy io, fa tsy dia ampihariny amin’ny fiainana ara-pananahana loatra. Misy ifandraisany amin’ny fotoam-pahazazana ny « fessée » ho an’ny mpandinika, dia ilay fahafinaretana tsapan’ny zazakely kasihin-dreniny sy kapokapohany eo amin’ny fitombenana rehefa soloina lamba fony fahazaza. Mampafana tanteraka ny vatana ny « fessée » ary miantraika any amin’ny kibo sy ny taovam-pananahana any ny hatairana rehefa iharany.....
Ny ankamaroan’ny olona no mihevitra fa tsy maintsy ny lehilahy no mikapoka ary ny vehivavy no tsy maintsy kapohina. Tsy voatery hitombina anefa izay fa azo atao tsara ny mamadika ny rasa. Raiso toy ny lalao ihany ny “fessée” fa tsy hoe atao marary mihatra aman’aina rehefa mampihatra azy. Kapoka kely entina manaitaitra no tena heviny fa tsy kapoka maharary tsy ho afaka an-tsain’ilay voakapoka. Samy manana ny fomba itiavany azy ny tsirairay raha hanao ny « fessée ». Ao ny mankafy azy tsy manao kilaoty. Ao indray ny tia mikilaoty ihany, saingy tsaratsara kokoa raha aidina moramora ity lambakely ity mialoha ny hanaovana azy. Mampiakatra kokoa ny “excitation” ny fanaovana izany. Tsarovy kosa anefa fa tokony hifanaiky tsara ny mpivady rehefa hanao azy, mba hisian’ny fifampitokisana hatrany.