jeu.
01
juil.
2010
Dia sanatria ve fampandriana adrisa tahaka ny nahazatra tato anatin’ny 15 volana indray ny tetikasa goavana fitrandrahana vy ao Soalala ? Io no fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro, indrindra fa ireo eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika, taorian’ny nahalalàna tamin’ny vaovao navoakan’ny Chine Nouvelle izay nivoaka ny faha 17 jona 2010 lasa teo, fa tsy manaiky ny handoa ilay vola 100 tapitrisa dolara amin’ny fanjakana Malagasy ilay banky HBSC( Hong Kong & Shanghai Banking Corporation)ao Hong Kong.....
Araka ny vaovao manomboka miparitaka amin’ity resaka ity dia tsy maintsy hanao fanadihadiana aloha ity banky ity izay vao mety hanaiky handoa io vola be io, eny fa na dia efa nisy fifanarahana fa hanome seky indroa miantoana aza izy ireo. Marihana tsara fa misy ampahany an’ny orinasa Wisco ny vola tokony harotsany eto amintsika, ary misy ampahany nindramina amin’ny banky hafa. Fehiny, manjavozavo ity fitrandrahana vy any Soalala ity, sy ireo fampanantenana amin’ny hahazoantsika volabe nataon’ireo mpitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Raha ny fahafantarana sy fifampitondrana eo amin’ny fifanakalozana iraisam-pirenena, dia an-kavitsiana, mba tsy hitenenana hoe tsy misy ny orinasa goavana sahy mifampiraharaha ary tonga dia mandrotsaka vola be amin’ny fanjakana tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena izany, indrindra fa iharan’ny sazy ny mpitondra ao aminy. Ny fitondrana tetezamita ihany koa etsy ankilany, dia tsy afaka mifampiraharaha amin’ny sehatra goavana toy izao. Azo antoka fa izay no mahatonga ity banky HBSC ity tsy mety handoa ny vola. Manahirana ihany mantsy ny hanara-maso ny fandehan’io volabe io rehefa avy eo, satria firenena ao anatin’ny krizy no nomena azy, ary mpitondra voasazy noho ny fanonganam- panjakana nataony koa no hifampiraharahana. Efa nisy ny tranga mitovitovy amin’ity raharaha ity, nandritra ny nahatongavan’ilay mpanefoefo saodianina teto amintsika tamin’ny volana jolay 2009, ny printsy Al Walleed, izay olona fahadimy manankarena indrindra maneran-tany, araka ny filazan’ny gazety boky Forbes azy. Voalaza tamin’izany fotoana fa hanome vola iray tapitrisa dolara hanamboarana hopitaly manara-penitra hitsaboana ny aretina homamiadana ity Printsy ity. Tsy nisy na dia 1 dolara aza anefa azon’ny fanjakana tetezamita tany aminy, fa ny akama ( frantsay) teto an-toerana no notambatambazana hanome vola hanorenana ilay hopitaly. Nambara ihany koa fa mety hanampy antsika amin’ny fitantanana ilay hotely goavana « kintana 5 » eny Ivato ity Mpanefoefo saodianina ity, izay tompona hotely goavana ao Paris, saingy tsy tanteraka izany hatramin’izao. Rahoviana ary vao hifarana i t y fampandr iana andrisa ny vahoaka tsy vaky volo ity e? Ny tsapa hatreto, dia sasatry ny miarina ity tetezamita ity, satria ny vola nantenaina tamin’iny fitrandrahana vy ao Soalala iny ity toa tsy avotra raha izao no fandehany. Jo
Jerenareo vahoaka fa amidin'ny FAT daholo ny harem-pirenana dia mankaiza ny vola?Lany handoavana ny karama be ny FAT ihany.Dia mba lazaina hono amin'izany fa miasa ry zareo mampandroso firenena.Dia mbola tsy tonga saina ihany ve isika vahoaka amin'izany?
Asa aloha ry vahoaka malagasy na ny Dada na ny Zandry kely no tena mpivarotra tanindrazana.Moramora tokoa anie ny mitsikera rehefa mijery baolina fa rehefa ianao indray no mirotsaka am kianja d ZERO
Ny olana dia izao, Izay mpitondra rehetra tsy misy manjary avakoa(vitsy ny manao ny asany aradalana... mangalatra avokaa satria tsy voafehin'ny lalana ny mpitondra. INANO NO TOKONY HATAO?
Aiza ary izy izany rehefa ampiesonina ohatra ny ivoarianina e!!!!! mandritra ny 10taona tsy nisy fifidianana fa nolalaovin'ny frantsay foana
