jeu.
01
juil.
2010
Ity vakianao ity no « basy tsy mipoaka faha-zato ». Zato sahady sa izay vao mba zato? Fa maninona tokoa no hoe: BASY TSY MIPOAKA? Tsy basy-na ariary fito akory, tsy <izay be no basy> koa, tsy basy atifitr’havana, tsy basin’anglisy, tsy basim-borona, tsy basin’i Zimbo, tsy basin’ny Capsat, tsy basin’ny FIGN, tsy basin’ny dahalo sy ny tontakely, tsy basy rano,Tsy basy fampitahorana sy fampihorohoroana, fa basin-tsaina, basin’ny eritreritra, basin’ny fampandrosoana, basy tsy mifidy saranga, na fihaviana, na firazanana, na mpitondra, na mpanankanto, na mpanao fanatanjahan-tena, na mpanao politika, na mpandraharaha, na tantsaha, na tandrenivohitra, na ambany tanàna, na avara-pianarana, na gasy, na vazaha, na mainty, na fotsy, na mavo, na mena. Ny sori-bilana tompoko, no mipoaka, ny tain-tsofina no mivoaka, fa ny basin-tsaina tsy hipoaka velively. Mahitsy, mivantana, mampiasa ny fitenin’ny rehetra, tsy be filirony. Izay ilay famakinao teto nandritra izay “zato“ izay. Gidragidra sy fandrahonana ary teny ratsy isan-karazany no nampiziogaina ity “basy tsy mipoaka” ity. Fanesoana, tsikera mivaivay, miampy fanozonana mihitsy aza indraindray.....
. Fa mbola eto isika. Mbola mijoro. Ary mbola tsy hikoso-maso raha eo hatrany ny <manan-tsaina handanjalanjana> sy ianao mpamaky tsy nahasaraka hatrizay. Fa nisy hatrany koa ireo nankahery sy nankasitraka. Nitondra am-bavaka nanampy herim-pitiavana sy herin-tsaina. Nanome tosika sy tanjaka. Noresahantsika teto ny fomba isan-karazany entina hamahana ny kizo politika mangeja ny fiainantsika, ny fanantenana naterak’izany dia nahavelom-bolo. Ary nahafinaritra ny fahafantarantsika avy hatrany ireo sarin-teny sy anarana nifampiantsoantsoana teto: Ny mpamorona, Ramose, tonton Sôla, Zandrikely, Deba, Prôfy, Rainizafilemena, Ikotofetsy sy Imahakà, ny dimbaka avy any nazareta, ny mpananty ran-kena, ry ravavany, ny bebaoty, ry belazao, besorongola…Haintsika ireny, ary vatsin-tsaina natao tsy hanafintohina sy handrangitana fa hifampitaizana sy hifanankalozana lesona. Nampiasaintsika ny teny nentin-drazana, tamin’ny alalan’ny ohabolana sy oha-pitenenana tena maha-gasy antsika. Nifangaro tamin’ireo teny fampiasan’ny lalana, ny arabe, ny tsena, ny ambany tanàna, ny tenin’ny filazantsara. Novingitina teto koa ny tenin’ny manam-pahaizana sy ny teny vahiny teny antsefatsefany teny…Ny fomba firesak’ireo mpanankanto isan-karazany, ny hirahira nampatsiahivana ny ventin’ny hevitry ny saina tao anatin’ireny kanto ireny. Tsy mora ny fanamby ateraky ny adidy aman’andraikitry ny asa fanaovan-gazety amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao. Hery entina hamaha ny olana misy eto ny fampahalalam-baovao. Hadalàna raha hampiasa ny serasera ho fiarovana an-jambany olona, na vondron’olona, na hevitra, na fisainana, na finoana, na hevitra politika. Tsy mendrika hijoro sy hihambo ho mahavita zavatra ireo rehetra tezitra amin’ny mpampahalala vaovao, ka hanenjika fotsiny amin’izay zava-boalazany sy notateriny. Ary vao mainka ho diso sy ho tsarain’ny tantara ireo mandrisika amin’ny fifankahalana sy fanasohasoana tsy mitera-boka-tsoa. Samia ela velona ho tahian’ny mpamorona e! ary ny “basy tsy mipoaka” koa tsy ho faty haingana. Ony RAMBELO
fa tena manana basy ve nareo sa don-tandroka fotsiny? Za mba manantena hoe hampiova zavatra ty izy ty kanefa toa ny rira foana no lany e? Aza kivy na zany aza fa tsara. ary ILAINA
Basy natao hanakorontana ny andry zalah.Basin'ny tia gidragidra,tsy vita milamina .Iza ary nosahy hamotiika anry zalahy amin'ybasy marovava .tafondro vava na dia zera betro na frapy krana dia ampy hitsaitsainany .Velezo ranga ny vy dienymafaafa samyolombelona nohosonran'ny ray amandreninymena koah
