mer.
30
juin
2010
Fahasahiana re izany ! Vitan’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tokoa ny nisalotra ireo marika, dia ilay vakana sy « insignes » lehibe fitondran’ireo filohampanjakana voafidim-bahoaka ara-dalana nandritra ny lahateniny ho an’ny vahoaka ny 26 jona maraina lasa teo. Raha araka ny fitadidiana anefa dia filoha nisora-tena teny amin’ny kianjan’ny 13 mey nandritra ny krizin’ny t a o n a 2 0 0 9 ny b e n’ ny tananan’Antananarivo teo aloha. Marina fa tafapetraka ho mpitondra tetezamita izy ankehitriny, kanefa raha araka ny fitadidiana ihany dia tsy nisalotra ireo velively ry Ingahy Razanamasy Guy Willy sy Ingahy Ratsirahonana Norbert Lala fony voatendry hitondra ny tetezamita teto Madagasikara fahiny. Ma r o n o n ame t r a - panontaniana fa sao dia tsy fantatry ny mpitondra ankehitriny ary ny dikany sy antony hiambozonana sy hametahana ireny marika ireny. Fitondrana inona ary ity, fa manao ny tsy fanao na dia tsy ankatoavin’izao tontolo izao aza.
ataoko angamba fa samy nahita ny artikl tao am basy vava hoe: haody ry ambohidah sy ny tao am tribune isika rehetra hoe eske ambohidahy é tjr là? tena tsy mety e! tokony hanazava mihits izay mba support juridik mihazona izao raharaha iazo ny tetezamita. grav ny misy eto e!
tokony ampianarina azy tsara ny dikan'ireny fa tsy hainy, heveriny ho lamaody ngamba reny insignes sy vakana reny ko! mba ampianaro iany oa ny zaza na de ho chomeur ary indray andro any!!!
nareo ko miasa saina am'zany eo, ze tina lo no ataony, mba manaova ra mba mahavita eh, nareo aza tsy afaka misalotra an'reny akory fa de miseho hop basy vava tokoa moa, be fialonana, alao lo mba anaovany refa tsy mosy manao ihany
tsy nisy olona nifidy an'io benify sady mpamono olona io izahay eto toliary
Mamelá azy fa tsy fatany izay ataony e.
Samy manana ny tiany io e! Izay no reviny.
marina tokoa izany fa tena samy manana ny reviny...ka ity no lazaina marina hoe :REVIN'ADALA. Tsy mahalala ny ara-dalana fa efa zatra mihao-pefy foana hatramin'ny fahazana. Eny na taty aoriana aza
dia mbola torak'izany foana ka tsy mahagaga raha lazain'ny rehetra hoe sady kely saina no tsy matotra. Mivadibadika toy andro ririnina.Mbetika, miseho ho tsara nefa efa fantatra fa mpanimba zavatra,
mbetika hitam-poko fa biby afa-tady ka miriotra manao ny tsy fanaony. Ny mampalahelo dia mijery manaiky fotsiny ny Malagasy na dia misy aza manohitra...efa hita izao fa mandeha amin'ny tsy izy ny
firenena ka dia hoe hitondra fanavaozana.
Aiza ianao ry Malagasy? arovy ny maha-ianao anao sao dia ho tara loatra.
Fantany taiza izay fanajana? pastera aza tsy hajainy ko maika fa zay akanjo? Rahoviana ihany izao hadalana izao no ho vita? sa dia tena sarotra be ny mandaka ny vodin'io boay kely io?
Tsy takatrin'ny fahaizany izany eh, hany ka manaonao foana
Fitondrana inona ary ity hoy ianao?Valiny:fitondrana FAT izany hoe vatam-paty.Ny anarana mantsy tsy salosaloram-potsiny fa araka ny anarana ny toetra sy ny atao koa aza gaga isika raha matymaty sy fatifatin-javatra daholo no atao sy volavolain'ity lazainareo fa fitondrana tetezamita ity.Ilay mpikambana rehetra ao aza toa fatifatina malagasy daholo fa tsy mba misy olon-kendry.
Miarahaba e ! Aty RD Congo no misy ny tena fa gaga ny Afrikan hoe maninona no tsy tonga eo io Olona tsy manana kalitao io. Ny aty dia gaga am fahombiazana nataon' ilay teo aloha sady mahafanatra ny tantara. Menatra isika Malagasy nefa tasrovy fa misy farany io. Mangina isika zao satria misy hery manenjika raha vao miehtsika fa hoa avy ny fotoana mahamety. Mivavaha sy Mibebaha fa Andrioamanitra marina tsy manary Antsika
zao sisa ve ry zareo no nihafaranareo, varina mitsikera nefa ny olona ef miova dhlo , ts solution zao fa manova zavatr hafa, conseil zany
Io fomba fanao tsy mitondra mankaiza io ihany no tsy mahalasa lavitra an'ity Madagasikara ity, tratran'ilay hoe syndromme d'ascenseur daholo rehefa tsy eo amin'ny fitondrana. Mirediredy sahala amin'ny olona lany harena sisa no atao. Mba manaova raha mahay. Izay tiany ihany io fa angaha misy lalàna milaza fa ny karazan'olona tahaka izao ihany no afaka manao fitafy toy izao sns. Mividiana ravin-damba dia manjaira rehefa tsy mahavidy ny efa vita. Andriamanitra no antsoin'ny sasany nefa ny nataon'ilay mpitondra teo aloha iny tena san-devoly fotsiny. Samia mizaka izay nafafiny ô!
Aleo hanao eo fa marina ny an'Mba Menatra :
"Samy MIOTY izay nafafiny"
Aleo isika miomana amin'izay hanatsarana ny 5ème République
"...fa tsy misy maharesy ny fahamarinan'Andriamanitra"
( na iza na iza; mainka mou fa fascisteS mpiaina @biznà lava izao)
"Minoa fotsiny ihany"
Merci Andry an! Ianao ihany no Filoha mamim-bahoaka hatraminny fahaleovan-tena no mankaty. Tena nakatoavinay irey fihetsikao tamin'ny 26 juin ireny ka tohizo leisy fa mety a! Miaraka aminao hatrany
ny vahoaka malagasy tsy vaky volo!
Vive Andry Rajoelina! Vive Madagascar!
tsy manana ndray nareo de be kiana , aleo ny azy hanaovany fa sao dia loa sy simba eo e , ambiance fona anie ny ao am H.A.T ao e , kilalaky sy mozika mafana miaraka amin'ny bois de rose , sy vy any soalala e , dia ny vary any vodi-hala no atao be fahandro ...
zany de mbola tsy mahatonga saina ny gasy ihany, efa ita fa olona misora-tena, vakina fotsiny, tsy mahalala ze ambonin'ny tany fa oetin'ny loha kely, zay de faly ery ny mpanaraka azy nefa ita zao fa
miarika makany an-kady, ny mahagaga ane de zao e! le ratsirahonana ve de tsy miteny oe tsy mety ny misalotsalotra fahatany ity zvtr ity fa de avelany ho @ zao, zany no manambara fa tsy de mifanaraka
firy lotra ry zareo! tena mahaletra na de ny mijery azy aza, fa de tsy afa-manotra anay aty ambanivohitra aty! zara aza mba misy an'itony hanalana ny fo!
merci basy vava!
tena manaonao foana mintsy le kely loha io, taiza ko no mbola nisy an'zany, teto an-tany, oe olona tsy vofidim-bahoaka nefa de misalotra an'ireny insigne ireny, tena tsisy ilaivana an'azy, ary le olona mpanaraka azy ko de tena vendrana be mintsy, sady aleo hazava fa tsy ny malagasy rehetra zany no mankasitraka azy fa ny vitsy an'isa fotsiny, de reo ze vendrna otr'azy iany. mapanhelo raha izany no ho filoha!
O ry lala inona no fantatry Ratsirahonana amin'izany?Izy aza tamin'ilay mba nitondra tetezamita iny nangataka hatao investiture!Efa voan'ny tazom-boninahitra e...
@ foza orana ireny norma
ireny no manambra fa kitoatoa sady mapiomehy
zavtra ridicule
Fifidianana ihany no fahamarinanana
Voce populi vox dei
Misaotra tompoko
aza miasa saina amin'izany e! Nasaina nanaovany le firavaka de nijolohany ka atoa akory ary.Le nanome azy an'ireny mihitsy no tena vendrana.aiza no ahalalany hoe iranona sy ranona ihany anie no mahazo manao an'itony?
