mer.
30
juin
2010
Vita ny fety. Tapitra ny lanonana. Inona no hitranga ? Hiverina indray ny krizy rehefa nisinda kely andro vitsy monja. Ilay hadino sy nisinda tao an-tsaina vetivety noho ny fety sy ny seho maimaim-poana isan-karazany tetsy sy teroa. Nifety tokoa ny vahoaka. Mazava ho azy fa rehefa vita ny fety dia hihazakazaka indray ny fiainana. Aiza no hahita vola hamidy sakafo arapaka ? Aiza no hahita vola hatao vidin-jiro sy hofan-trano ary « écolage » an’ny ankizy ? Izay mba hamidy aingitraingitra moa dia efa natelin’ny taona 2008, fony mbola nisy asa ara-dalana. Rehefa niato kely sy tsy re firy ihany koa nandritra ny fety dia hiverina indray ny adilahy politika. Na dia niezaka niantsoantso sy niseho ihany mantsy ireo ankolafy telo, izay tena mpanohitra ny fitondrana misy ankehitriny dia takon’ny zavamaneno sy ny seho marevaka tetsy sy teroa izy ireo sy ny feony.....
Dify ny fety, dify ihany koa ireo mozika sy haingo isan-karazany dia hipoitra avy any anaty korontana sy hantsana tsy hita noanoa any ny resaka politika. Hanakoako etsy sy eroa indray ny litanian’ireo mpanao politika amin’ny fikarohana vahaolana hiraisana hananganana fitondrana tetezamita hiarahamitantana. Litania zary efa lanin’ny daholobe tsianjery, saingy tsy mbola tanteraka hatramin’izao. Etsy andaniny, hiverina ihany koa ny tsianjerin’ny FAT mahakasika ireo fifidianana isan-karazany sy ny mahakasika ilay lalam-panorenana tsy misy toa azy ary hanafaka antsika amin’ny krizy hivoahana ho any amin’ny repoblika fahefatra. Mazava ho azy fa hiverina ihany koa ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa, izay arahin’ny fisamborana sy fampidirana amponja. Efa naharesaka izany ihany dia inoana marimarina kokoa fa tsy maintsy hiverina eny amin’ny fitsarana ireo mpanao gazety miisa folo mianadahy eo ho eo sy ireo zandarin’ny FIGN am-polony ihany koa izay nambara fa nikomy ary ireo gadra politika an-jatony mbola miandry fahafahana hatramin’izao. Efa hay tsianjery ihany koa fa tsy maintsy haverina am-ponja izy ireo. Rehefa vita fety toy izao koa dia asa goavana miandry ny rehetra indrindra fa ny eo anivon’ny kaominina ny fanadiovana ny tanana. Loto tsy hita pesipesenina mantsy no navelan’ny fety. Mila fanadiovana izy ireny. Haharaka izany ve ny olona sy ny fitaovana ananan’ny kaominina ? Niaraha-nahita mantsy ny mbola fisian’ireo toerana maro teto an-drenivohitra nilomano tao anatin’ny loto talohan’ny fety. Mainka fa notovanan’ny fety izany fako izany. Fa na tiana na tsy tiana dia mandalo ny segondra mitambatra ho minitra ka tonga ora ary manjary ho andro maromaro tody volana. Lasan’izany segondra, minitra, ora, andro ary volana izany ny datin’ny fety izay nandalo fa tsy tana.