mer.
30
juin
2010
Mila fehezina ihany ity fihetseham-po tafahoatra ity fa mety hitarika ny zanak’olombelona hanaotao foana, raha ity tranga niseho tany ivelany ity. Nentin’ny alahelony an-janany izay nody mandry, i Kim Mordue, renim-pianakaviana, 50 taona. Tsy tratra ny anaovavy fa nalainy ny lavenona avy amin’ny fatin-janany nodorana, nanaovany tombokavatsa, na irony “tatouage” fametraka amin’ny vatana irony...
Nataony teo amin’ny faritry ny valahana ilay “tatouage”, ka ny vadiny ihany no nametraka azy. Rehefa
nanontaniana i Kim dia nilaza fa “mba tsy hisaraka aminy mandrakizay” hono ny zanany, ka hiraikitra sy hiaraka aminy amin’ny toerana rehetra alehany. Izay no antony nandrisika azy hanapa-kevitra
hanao izao tombokavatsa amin’ny lavenon’ny fatin-janany izao, izay mari-pamantarana tsy hay kosehina, ho azy.
Namoy ny ainy teo amin’ny faha-20 taonany ity zanany ity. Namela ratram-po ho an’ny reniny ny nahafatesany.
TENA MBA HAFA KELY TOKOA IZANY A ! MBA HANAO TAHAKA IZANY KOA IZAHAY INDRAY ANDRO ANY RAHA SENDRA KA MATY NY ZANAKAY; TOA HEVITRA TSARA ILAY SAINGY;;;;;;;;
