mer.
30
juin
2010
Efa maro karazana ihany izay voka-panadihadiana nentina tamintsika teto izay. Mbola hafa noho ireny ihany koa ity anio ity, izay mampahafantatra antsika ny lehilahy mahery manao firaisana ara-nofo maro indrindra eran-tany. Misy ny mihevitra fa mety ho lehilahy be volabe, na tsara tarehy be no tompon-dakan’izany. Tsy vitsy ireo diso hevitra satria dia izany Umberto Billo, lehilahy mpiasan’ny hotely iray malaza any Venise, Rome, any no voahosotra ho lehilahy nahavita nanao firaisana ara-nofo amina vehivavy betsaka indrindra eran-tany...
Voalaza mantsy fa miisa valo arivo ireo vehivavy niarahany nanao firaisana ara-nofo hatramin’izay niainany teto an-tany izay. Mpitondra sy mpanatitra ny entan’ireo olona tonga mivahiny ao amin’ny hotely misy azy no asan’i Umberto, ka izay no ahafantarany izao karazam-behivavy avy amin’ny lafy valon’ny nosy rehetra izao. Tsy sarotra ho azy ny miditra amin’ny efitranon’ireo vahiny, ka matetika izy no misy manasa hiaraka hatoritory sy hanala havizanana. Im-betsaka izy no efa saika voaroaka tamin’ny asany, satria hoe vizana loatra, hila tsy hahavita an-tsakany sy an-davany ny asany.
Manaraka azy amin’ny isa akaiky i Charlie Sheen, izay nanao firaisana ara-nofo tamim-behivavy miisa dimy arivo. Mitana ny laharana fahatelo i Gene Simmons, izay ikoizana amin’ny fananany lela lavabe sy mitara-mena, niaraka tamim-behivavy miisa 4 600. Any amin’ny fahaefatra any indray i Engelbert Humperdinck mitovy laharana amin’ilay mpanakanto Julio Iglesias, izay samy niray tamim-behivavy telo arivo.
Raha ireo voka-panadihadiana ireo dia tsy voatery ho tsara bika sy tarehy vao ho afaka hiaraka amim-behivavy. Samihafa kosa anefa ny “qualité” sy ny “quantité”, satria tsy midika hoe fahombiazana avokoa ireo firaisana ara-nofo miisa valo arivo vitan’i Umbreto ireo. Tsy nahazoana fanazavana fanampiny ny mikasika izany.
Ny anay ny alika no record toy izany izay efa niray tamin'ny alika vavy miisa 8500
izany razoky izany ve tsy efa tena topondaka ihany koaamin'ny aretina ? Izany koa ve tsy efa sahalan'ny taolakatsaka ny hahiany !
fa firy taona ary zany zoky zany?, de manambady ve izy? de tao anatin'ny firy volana, na firy taona no nanaovany izany sa mandrapahafatiny? matanjaka ka!
