mar.

29

juin

2010

Raymond Ranjeva: Mila potserina ny vay

Dikan-teny malalaka tamin’ny resadresaka nifanaovan’i José Ribeaud, mpanao gazety any Soisa, tamin’i Raymond Ranjeva, mpampianatra, filoha lefitry ny CIJ teo aloha sady filohan’ny Oniversiten’Antananarivo

 

B.V.: Dimampolo taona izay Madagasikara no nahaleo tena ! Efa nomanin’i LaFrantsa ve tamin’ny taona 1960 ny mikasika ny rafitra eo amin’ny andrim-panjakana sy ny fifandimbiasana ara-politika, ahazoany miroso amina tetezamita tsy misy arakaraka?

 

R.R.: Raha ny marimarina kokoa dia tamin’ny taona 1972, vanim-potoana izay nionganan’ny filoha Philibert Tsiranana no efa tsikaritra fa toa efa voapetrapetraka tamina lamina maty paika avokoa ny fizotry ny krizy nitranga teto Madagasikara. Mitovy hatrany ny zavatra notakiana (fanoherana ny fanamparam-pahefana, fitakiana ny tsy fiankinan-doha ara-toe-karena, fanatsarana ny fiainan’ny mponina), mbola eo ihany ny filohan’antoko sasany nitarika izany, iray ihany ny toerana (kianjan’ny 13 mey), samy naka tosika tany amin’ny mpitondra fivavahana. Toa hita soritra sahady tamin’izany fa misy sakana ara-politika goavana teto amin’ny firenentsika. Azo heverina anefa fa ny tantara nolalovan’i Madagasikara mihitsy, nialoha ny nahazoany ny fahaleovantenany sy hirosoany amin’ny hoe fananana fiandrianam-pirenena no nahitana lesoka. Tsy foana tanteraka ny rafitra niainana nandritra ny fanjanahantany, na ara-politika io, na teo amin’ny resaka lalàna........

Efa voafaritra tamin’ny taona 1957 ny fototry ny lalam-panorenana malagasy izay heverina hitondrana ny Repoblika voalohany, taorian’ny lalàna antsoina hoe “Loi-Cadre Defferre”, izay mbola ny Repoblika frantsay no nanomana sy namolavola azy. (Efa voafaritra ny mikasika ny hizarana an’i Madagasikara ho faritany enina). Najoro ny kongresin’ny antenimieram-paritra ny Repoblika. Notendrena ny antenimieram-panorenana izay hifidy ny filoha voalohany hitondra ny Repoblika tamin’ny 1 mey 1959. Nankatoavina ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny handraisan’ny filoha Tsiranana ny fahaleovantena. Tetsy ankilany anefa dia tsy nofoanan’ny Repoblika frantsay velively ny “loi d’annexion” tamin’ny taona 1896 izay nametrahana an’i Madagasikara ho zanatany frantsay.

Ny Lalam-panorenana fototry ny Repoblika fahadimy frantsay ihany no nahodina handrafetana ny Lalam-panorenan’i Madagasikara tamin’ny 29 aprily 1959. Tsy misy ny sori-dalana mazava mamaritra ny rafitra mifanentana amin’ny eto an-toerana fa ny lalam-panorenana tamin’ny taona 1946 no nalaina tahaka : momba ny rafitra fitsinjaram-pahefana, ny foto-kevitra sosialy.

Raha fehezina dia hatrany am-panomanana mihitsy no efa hita fa tsy hitondra ho amin’ny fahaleovantena tanteraka velively ny rafitra rehetra hitondrana ny firenena. 

B.V.: Anisan’ireo vy nahitana ny fifanarahana tamin’ny taona 1973 ihany koa ianao. Inona no mety hoe fiovana misongadina raha oharina amin’ny rafitra napetraka tamin’ny 1960 ?

 

R.R.: Nifototra tamin’ny fanadihadiana zavatra roa samihafa ny fanovana ny fifanarahana malagasy-frantsay nisy tamin’ny taona 1973. Ny andaniny momba ny fankatoavana ny fiandrianana ary ny ankilany kosa mikasika ny fampiharana azy. (Tokony hisy fiantraikany mivantana amin’ny fahaterahan’ny Fahaleovantena ny fampitana fahaiza-manao nataon’ny fikambanam-be frantsay tamin’ny taona 1958. Kanefa, hafa ny fomba fiasan’io fahaiza-manao io noho ny fifanekem-piaraha-miasa nosoniavina ny ampitson’ny nahazoana ny Fahaleovan-tena). Nipetraka noho izany ny olana noho ny tsy fisian’ny andininy milaza ny tokony hanovana ny fifanekena.

Namarana ny fanilihana an’I Madagasikara ny fifanarahana natao ny taona 1973 ary azony tanteraka ny fiandrianany: novàna ho fifanekem-piara-miasa amin’ny miaramila izany ilay noheverina ho fifanarahana stratejika.

Ampahatisahivana ihany fa tamin’ny 1973 dia naompan’ny Filoha Pompidou tamin’ny Eropa manontolo ny resaka indostria sy ekonomian’i Lafrantsa ary noheverina natao mifanaraka amin’izany ny tetikasa lehibe sy ny fanajariana ny tontolo ambanivohitra ho moderina. Nitarika fialana tsikelikely tamin’ny fifanarahana izany ary nahatsapa an’io I Madagasikara. Ankoatra izay, ny fisokafan’ny firenena tamin’ny endriny rehetra dia tsy nitondra ny vokatra neritreretina satria ny fitondrana, izay nandala ny fiandrianana, dia nanjary nikaviavia amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena.

 

B.V.: Isaky ny misy fanonganam-panjakana, dia maika hatrany ny mpitondra hanangana Repoblika vaovao. Nisy fihatsarana ve ny fiainan’ny Malagasy teo amin’ny sehatra toekarena sy sosialy. Sa ve, araka ny hevitrao, nandamoka ny asan’ireo mpitondra ankehitriny izay mivohy ny zarazarao anjakana mihoatra ny tombon-tsoam-pirenena?

 

R.R.: Tsara ny manamarika fa izay nisy tamin’ny taona 2009 ihany no atao hoe fanonganam-panjakana satria midika fangalana ny fahefana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Tsy azo lavina kosa anefa fa nisy ny fiverimberenan’ny krizy.

Mampiseho ny firindran’ny Lalam-panorenana ireo fanovana miisa 12 tao anatin’ny 50 taona, izany hoe tsapa fa maharitra eo amin’ny efa-taona sy tapany eo ny fitondrana iray. Raha tsorina dia mampanaiky izay fitondrana miakatra eo ny Lalam-panorenana vaovao (Saingy hita fa misy ny fampiasana vilana io fitaovana iray io ka mahatonga fanimbana sy loza, loza mitovy laharana amin’ny fandikana ny lalàna izay nentina hanamarinana antontan-taratasy toy ny fitsarana staliniana tany Moscou??). Mipetraka ary ny fanontaniana hoe inona marina ny hevitry ny hoe “Droit constitutionnel”: endrika fakana fanjakana va sa fampiharana sa famindram-pahefana amin’ny fanjakana ? Sa koa ve famaritana ny fototra ijoroan’ny fanjakana sy ny firenena, ny fitiavana hiara-honina, ny fikatsahana ny fahamarinana sy ny fifampiresahana ara-tsosialy na ara-toekarena ary ny fandrindrana ny fahefana mijoro araka ny andrim-panjakana.

Raha ity farany ihany ary no havoitra, inona ary no tena tokony ho lazaina “lalam-panorenana” sa “lalan’ny fanjakana”? Araka izay fandikana azy ihany ny valiny satria ny lalam-panorenana dia mikatsaka ny fahefana voalohany indrindra. Tsy mahagaga ary raha toa ka mahakasika ny fifidianana ny krizy na koa ny fampiharana ny fahefana dia manozongozona ny fanjakana? Ny fandraisana ny lalam-panorenana tsy misy fiadian-kevitra politika no mahatonga ny fihemorana lava ary izany no mampiverimberina ny krizy toy izay efa hita ihany.

Miharihary izao ny fiantraikan’ny krizy ara-toekarena sy sosialy: midi-kizo hatrany ny rehetra ary hita fa nikatso avy hatrany ny fampandehanana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izay nisy tamin’ny fitondrana teo aloha. Azo ambara izany fa lasa takalonain’ny resaka politika ny toekarena. Fa azo heverina ihany koa ny hoe tamin’ireo mpitondra nifandimby, tsy takalonain’ny toekarena koa ve ny politika? Amin’ny anaran’ny fanekena ho amin’ny fampandrosoana, noterena foana ny sorona, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahalalahana, kanefa ny fandrosoana tao anatin’ny 50 taona dia zary lasa nofinofy ary ny tsy fisian’ny tinady dia mampikatso ny toekarem-pirenena. ( Ireo firenena manodidina an’i Madagasikara izay tena mandala ny demokrasia anefa dia hita ho lasa lavitra avokoa).

 

 

B.V.: Efa ho herintaona sy tapany izay no niaina tanaty krizy politika sy ara-tsosialy ny firenena. Mety ho azo heverina ve aminao ny ahazoana mivoaka amin’izao toe-draharaha izao ? Mitondra vahaolana ve ny fianteherana amin’ny ankolafin-kery efatra hiverenan’ny fandriampahalemana indray sy hivoarana ara-toe-karena ary hampanjakana ny rariny ara-tsosialy ?

Mampalahelo tokoa ity krizy lavareny ity. Tompon’andraikitra iray amin’ity fitondrana ity, izay namako akaiky no nilaza tamiko fa tsy ny hamahana ny krizy aloha izao no maha-maika fa ny hampiseho amin’ny sehatra iraisam-pirenena hoe mifarana ny krizy eto Madagasikara. Hitanao amin’izany ! Mbola ho sarotra ny hamaha ny raharaha raha toy izany ny fandehany. Izao fitohizan’ny krizy lavareny izao anie dia manambara fa miha-reraka sy miha-miraviravy tanana avokoa ny tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny e. Ndeha hatsahatra ny resaka fampandriana adrisa sy ny fampanantenana poakaty hoe hamaha ny olana. Tsy mety ihany koa ny fikarohana vahaolana avy any ivelany, izay efa hita fa tsy mahomby. Toa tsy nomena hasiny ny soatoavina malagasy izay mifototra amin’ny fifanajana sy ny fifampitokisana. Tsy misy mazia sy fahagagana eto. Raha ireo fomba nivoahana tamin’ny krizy hatramin’izay no jerena sy araka ny traikefa hita teny anivon’ireo firenena hafa eran-tany (i Afrika manokana ohatra), dia miara-manaiky isika fa tsy azo atao izany tsy hitondra vahaolana matotra hialana amin’izao krizy izao. Mila malina ihany anefa momba izany. Izay hivoahana amin’ny krizy aloha izany no tokony hatao laharam-pahamehana vao hiresaka fandriampahalemana na fivoarana ara-toe-karena, na ihany koa rariny sy hitsiny ara-tsosialy.

 

B.V.: Tena ilaina ve ny hametraka rafi-pitondrana vaovao araka izay hita ao anatin’ny sori-dalana narafitry ny FAT ? Sa kosa azo heverina ny hametraka governemanta iraisana, tsy misy loko politika, tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa mandra-pahatongan’ny fifidianana malalaka sy mangaraharaha ary eken’izao tontolo izao ?

Raha tsorina dia tsy azo heverina aloha izany hanangana rafitra vaovao izany amin’izao. Indrindra raha eo amin’ny lafiny teknika, taorian’iny nanambaran’i Andry Rajoelina ny tsy hilatsahany ho fidiana ho filoham-pirenena farany teo iny. Mila potsirina mihitsy aloha ny vay marary eto amin’ny firenena vao ho hita ny fanafodiny. Inona moa ireo vay ireo ? Ny pesta entin’ny kobaka am-bava, ny kolera avy amin’ny fanaovana ampihimamba, ny habokana ateraky ny politika mitanila. (Ireo mihitsy no anarana azo iantsoana azy). Mila jerena ifotony mihitsy aloha ny aretina vao ho azo sitranina. Tsy azo odiana tsy hita ny zava-nisy teto amin’ny firenena ary betsaka ny ohatra afaka tanisaina amin’izany.

Amim-panetren-tena no itondrako ny hevitro eto. Tokony halavirina tanteraka aloha ny fianteherana amin’ny ankolafin-kery vitsivitsy, na ny mivantana ireo na tsia. Ilaina ny manangana governemanta tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa izay afaka manatanteraka tsara ny andraikiny. Izany hoe olona tsy voabaiko avy atsy sy avy aroa no apetraka ho mpikambana ao anatiny. Tokony ho governemanta iraisan’ny rehetra io ka iarahana avokoa ny fandraisana fanapahan-kevitra rehetra. Ary tokony ho governemanta matanjaka mba ho afaka hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikiny amin’ny sehatra rehetra, hanana ny fandaharan’asany maty paika sy tsara rindra.

 

B.V.: Afaka ary ve ianao Atoa Profesora ny hiantsoroka ny fitantanana izany Repoblika vaovao izany sy hanondro ny governemantan’ny firaisam-pirenena amin’izao fotoan’ny tetezamita izao ?

R.R.: Fanontaniana tsotra izany ka valiny tsotra ihany koa no asetriko azy. Tsy misy izany filohan’ny Repoblika vaovao izany raha tsy misy fifidianana. Ny olana izao dia ny tetezamita sy ny rafitra tokony hapetraka hitantana azy. Aleo ihany koa tsy hapetraka amin’ny hoe “ny tenako”. Raha izay moa no ifanarahan’ny rehetra, inona no maharatsy izany ? Afaka miroso tsara amin’izany ny olona manana fitiavan-tanindrazana, manana hetaheta hanasitrana azy, ary manana finoana hahatanteraka izany ihany koa.

 

B.V.: Misy lalana hafa ahazoana mivoaka amin’izao krizy izao kosa ve ? Inona no azon’i Madagasikara atao, haneken’ny vondrona iraisam-pirenena azy, indrindra fa manoloana izao nitsoahan’ny amerikana sy ny vondrona eoropeana izao ?

R.R.: Maro ny olona tafiditra anatin’ny fahantrana lalina vokatr’izao krizy izao. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo lasa mpangoron-karena tampoka. Tsy vao izao no nisy izany fa efa hatry ny ela. Hezahana fatratra ny hanafina ny fisian’izany krizy izany amin’izao fotoana izao. Rehefa tena hadihadiana anefa dia mbola mahazo vahana ao anatin’izany rehetra izany ny tombontsoa frantsay. Rehefa nilatsaka ny sazy vao tonga saina ny rehetra. Hiverina amin’ny Pretoria II indray ary ve izany, nefa efa mihatanteraka tsikelikely ny fampiharana ilay fifanarahana lazaina ho nifanaovan’ny LaFrantsa tany amin’ny miafinafina tany.

Hosaziana ihany koa ve izany ny SADC izay niezaka nikaroka vahaolana ho an’ny firenena hatramin’izay, satria hoe manohitohina ry zareo akamakaman’ny Frantsay dia ny FAT izany ? Tsy hita izay tena valiny matotra momba ny fivoahana amin’ny krizy …

 

B.V.: Sakana mampitarazoka ny krizy na tsy hivoahana amin’ny krizy indray koa ve ny fanindraindrana amin’ny resaka adim-poko ?

R.R. : Mbola tantara lava ihany koa izay resaka adim-poko izay. Tetikady nampiasain’ny vahiny hatramin’izay ny adim-poko, nentina nanilihana ny Merina teo amin’ny fitondrana. Notsiahivin’ny filoha Tsiranana tamin’ny ministra mihitsy izany tantara izany tamin’ny fotoan’androny. Ny “fanjakan’i Madagasikara”, izay notantanina mpanjaka teto imerina mantsy no fitondrana farany niady tamin’izany fitsabatsabahan’ny Frantsay izany teto amintsika. Nataon’i LaFrantsa izay nanaratsiana azy nahazoany nanjanaka ny firenentsika tamin’izany. Ary marina tsy misy iadian-kevitra ihany koa izany !

Ny zava-misy anefa hatreto dia soa ihany fa tsy nety nahazo laka teto amintsika mihitsy izany adim-poko izany. Efa ela ihany koa no naniriako hilaza ity resaka iray ity, saingy izao vao afaka manambara izany aho. Tsy midika velively ho fibodoana ataon’ny Merina akory ny fiezahana hampandroso ao anatin’ny firaisam-pirenena. Manaporofo izany ny nahazoana nametraka ireo oniversite enina manerana ny faritany enina eto amintsika. Ekena fa misy ny fahasamihafana eo amin’ny samy Malagasy ary mety tsy hipetraka hatrany ilay firaisam-pirenena, nefa tsy ny fahamaroan’ny foko eto amintsika velively no mahatonga izany. Teti-dratsy fotsiny ihany izany entina hampisaraham-bazana ny samy Malagasy izay tadiavina hararaotina noho ny hamaroan’ny karazam-pivavahana eto amintsika, sy ny fombafomba samy manana ny azy, ny tsy fitovian’ny fomba fitenenana, izay tsy hafa fa nalaina avy amin’ny fomba fiteny iray ihany.

Tsy nametraka olana teto amin’ny firenena izay sakana ara-poko izay hatreto. Mpitondra Merina maro no efa nifandimby nitondra ny tetezamita teto, toa ny Jeneraly Ramanantsoa, ny kolonely Ratsimandrava, ny Jeneraly Andriamahazo. Teo ihany koa ny sivily toa an’i Guy Razanamasy sy ry Norbert Lala Ratsirahonana. Tonga hatrany ny krizy rehefa milaza ny fahavononany hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ireo mpitondra Merina ireo, satria hoe manohintohina ny fiakaran’ny foko hafa ho eo amin’ny fitondrana.Tsy dia manana izany fisainana izany anefa ny ankamaroan’ny vahoaka, ary nibaribary izany tamin’ny nahavoafidy ny filoha Marc Ravalomanana in-droa ho filoham-pirenena.

 



 

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    LERAINY (jeudi, 01 juillet 2010 12:10)

    Mahafinaritra ny mamaky lahatsoratra tahaka itony indrindra moa avy amina manampahaizana sy olomanga tahaka an ingahy Ranjeva. Izay mamy atelomy fa ny mangidy aloavy hoy isika malagasy. Hoatr'izay no handraisako ny resaka izay nataony t@ mpanao gazety io ary dia tiako tsindriana avy hatrany ny teniko h@ izay t@ olona rehetra izay mba noresahina momba ny Krizy madagasikara hoe: variana dia variana isika malagasy na afrikanina manilika any @ hafa ny mahatonga antsika ho mahantra na krizy lava izao. Voalahatra tsara ary mirindra ny tenin ingahy Ranjeva saingy moa ve isika mba nisaina hoe inona ny lesoka goavana avy amintsika malagasy samy malagasy ka nahatonga antsika ho toy izao? Mila ampahatsiahivina foana ve ny fanontanian'NY Mpahary t@ adama hoe: Inona ity Nataonao? Nailiny tany @ Eva avy hatrany ny fahotàny! Io vehivavy nomenao ahy io ihany no nahatonga izao. Izy no nanolotra ahy ny voankazo voarara DIA MBA NIHINANA AHO ????? Lesona nomen'NY ANDRIANANAHARY t@ io ary mandaitra handaitra ary tsy ho lany andro rahoviana ny hoe: Aza dia manilika any @ hafa foana ny fahotàna vitanao!!! Ny fifanavakanvahana mahatsiravina nisy ary mbola misy ao Afrika atsimo ve dia mpanjanaka no nametrapetraka izany?? Ny Fanandevozana sy avakavaka misy etsy Etazonia ve dia mpanjanaka no nanao izany? Ny fifanavakavahan'ny malagasy ve dia tena tsy misy afa tsy tetika sy paolitikan'ny Frantsay fa raha tsy teo ny Frantsay na ny anglisy dia anjely daholo ny malagasy? Sao dia tena io ilay VAY TOKONY POTSERINA fa ambiny sisa ny resaka toekarena sy paolitika hitondràna ny fandrosoana ?

  • #2

    olo-kendry (jeudi, 01 juillet 2010 16:10)

    Izany ka olo-kendry.Hita mihitsy hoe olona nianatra, raha dinihana ny vali-teniny t@ ilay mpanao gazety suisse.
    Tadidio fa ny filoha Ravalomanana no efa nisafidy azy hoe ho filohan'ny tetezamita.Ny olona niaraka t@ filoha Ravalomanana dia olona manapahaizana sy fahendrena ny ankabeazany.

  • #3

    randria (jeudi, 01 juillet 2010 20:03)

    Qlo-manga toy itony no mendrika hitondra fanjakana ramalagasy a!

  • #4

    ndriana (samedi, 03 juillet 2010 20:28)

    Izany no tena olona manampahaizana sy namam-pahendrena satria mbola tadidiko ny laza adina tamin'ny androm-panadinana natrehana fahiny hoe " Ny olona manam-pahaizana ve manam-panahysy manam-pahendrena ? hadiadio sy fakafakao " ary mbola mampametram-panontaniana ahy hatramin'izao io laza adina io ary eto aho dia maneho hoe tena mampahaizana lalina ireo raiaman'drenintsika teo aloha ireo . Tsy tadidiko intsony moa ny manaratra io andinin-teny io . Ary raha mandinika isika dia maro ny olona raha tsy hiteny hoe misy olona mitovitovy amin'io nanao dinika tamin(ny mpanao gazety io fa tena any am-paladia mihintsy izany olona izany raha tsy AOTRA mihintsy aza angamba fantantsika loatra izany olona izany ary tsy mila lazaina akory aza .Enga anie ho maro ny olona ka sahy hitsangana hanavotra an' i MADAGASIKARANTSIKA toa an' andriamatoa RANJEVA .

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra