mar.

29

juin

2010

Ranon’aina : Mahasarotiny ny vehivavy

Navoakan’ny gazety iray mpiseho any ivelany any, The Independent, fa anisan’ny zavatra mahasarotiny ny andriambavilanitra ny ranon’ain’ny vadiny. Misy karazany mantsy izy ireny, raha ny fandinihana nataon’ny mpikaroka avy ao amin’ny oniversiten’i Adelaïde.

Ao ireo karazana ranon’aina maha-bevohoka avy hatrany. Misy kosa ireo ahiana tsy hamokatra. Mahay misafidy sy mifantina azy ireo ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay, raha ity fikarohana ity ihany, ahazoany mitazona ny lehilahy mifanentana manana ranon’aina mifanentana aminy.

Ahitana ny singa antsoina hoe “molecules-signal” ny ranon’aina, izay manova ny hery fiarovana tahirizin’ny vatan’ny vehivavy momba ny fiainana ara-pananahana. Manda avy hatrany ilay ranon’aina ny vatan’ilay vehivavy, raha vantany tsapany fa tsy mifanentana aminy ilay izy.

Raha ny voalaza hatramin’izay dia hoe vokatry ny fitondran-tena ratsin’ny vehivavy no mety mahatonga azy tsy hitoe-jaza, na dia maniry mafy aza. Raha ity fikarohana ity anefa dia ny fandavan’ny vatan’ny vehivavy ilay ranon’aina mihitsy no mitarika azy ho momba, lazaina fa tsy miteraka.

Hetahetan’ireto manam-pahaizana Aostraliana ireto ny ahazoana mampiasa izao voka-pikarohana nataony izao ho amina seha-pahasalamana mahakasika ny fisorohana ny fahamombana sy ny fahafahan-jaza tsy nahy.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra