mar.

29

juin

2010

Ny momba ny aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo

Loza mitatao amin’ny firenena manerana izao tontolo izao ny aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo. Na dia efa heno etsy sy eroa azan y fanentanana mikasika ny ady amin’izy io, dia indro hanampy anao amin’ny fanomezana sopapa izahay hahafantaranao izany aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo izany.

Ny fifindrany : Ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo dia mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro amin’ny olona mitondra ny aretina.

Ny fisehony : Maro karazana ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo fa ireto no tena mateti-pitranga:

  1. Angatra na solopiso (Blennoragie na Chaude pisse) : Misy mitsiranoka mavo maitso, misy fofona mivoaka amin’ny fivaviana na filahiana. Mavaivay rehefa mivalan-drano. Marary ny andohavania (mont de vénus).
  2. Farasisa na tety na merana (syphilis): Misy fery ny filahiana na ny fivaviana. Misy atody tarimo (ganglion) eo amin’ny foto-pe.

 

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    rakoto (vendredi, 09 mars 2012 13:51)

    manaona tompoko!ty misy fantanina raha mangidihidy v ny manodidina ny filaina d marary zany a?

  • #2

    Razafy (vendredi, 04 mai 2012 14:12)

    manaona tompoko, saika mba hanontany zavatra kely. mety ho aretina inona ity: tsy mangidihidy tsy marary nefa mamoaka fofona sy karazana perte blanche mamofona hafahafa be ny olontiako. mihevitra izahay fa sao dia ny fahatetehan'ny fisasany no mahatonga izany? mba valio tompoko azafady fa sahiran-tsaina izahay.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra