mar.

29

juin

2010

Haody ry Ambohidahy?

Ny ao Ambohidahy ao no azo lazaina fa anisan’ny tompo-marika amin’ireo andrim-panjakana mbola azon’ity Fahefaha Avo mitondra an’i Madagasikara hitampikirana hatramin’izao. ‘Ndeha hatodika any ny saina satria nisy lanonana nampatsiahy tantara teny Mahamasina teny nandritra ny fetimpirenena. Tato ho ato dia tsy nandrenesam-peo ry zareo ao. Sa moa tsy mba manana raharaha hatao ry zareo ireo raha tsy misy manontany azy ireo ny heviny? Sa mpilaza voka-pifidianana ihany no andraikiny? Sa mpanatrika lanonana fotsiny sisa izy ireo?

Tamin’ny tapatapaky ny volana martsa, taona 2009 dia ry zareo tao Ambohidahy no tompon’ny lanonana natao teny Mahamasina, izay nametrahana ilay mpandray ny fahefana nolavin-dry Bebaoty. Manao ny asan’ny filohan’ny Repoblika io olona io mandritra ny 15 volana. Tapitra izao ilay fe-potoana. Dia ahoana? Nambarany tamin’izany fa tsy afaka misaraka ny Filohan’ny FAT sy ny Praiminisitra. Ary telo ihany ny andrim-panjakana arak’ilay didy hitsivolan’ny Bebaoty.......

 

Tsy fantatra intsony manomboka teo izay tena hevitry ry zareo ao Ambohidahy ao, satria raha araka ny didy hitsivolan’ny tetezamita vaovao dia efa ela no tokony olon-kafa mihitsy no notendrena haka ny toeran-dry zareo sasany ao. Dia ahoana indray izany? Raha ny marina sy ny lojika kokoa izany dia hafa

mihitsy ny fahefana mitondra ny tany sy fanjakana ankehitriny fa tsy ilay tany amin-dRamose, sady koa tsy ilay tany amin-dry bebaoty. Ka fahefana avy aiza ilay nampisaloran’Ambohidahy ilay olona nanao ny asan’ny filohan’ny Repoblika teny Mahamasina efa herintaona mahery lasa? Ary ilay an’ny Chef de l’etat? Amin’izao izany dia sady tsy misy manao ny asan’ny filoham-pirenena? Tsy misy ny chef de l’etat? Ary iza ilay niravaka ny mariboninahitra ambony indrindra eto amintsika ka niarahaba ny vahoaka malagasy tamin’ny fetim-pirenena teo? Mikorontana sy mifanjevo ny tompom-pahefana hatrany amin’ny kaominina rehetra any, kanefa dia tsy misy lalàna, na didy, na hoe teny midina ahafahana mampiato ireny fifandrohitana ireny. Dia ahoana hatrany hatrany e? Mbola ilay sary amin’ny fitombo-kasé-n’ny repoblika faha-telo anie no nivandravandra teny Mahamasina e!

Ankehitriny moa dia ny fety izao no malaza, ary efa hita nanotrona daholo ireo nasaina nanatrika ny lanonana fankalazàna izany teny Mahamasina sy Anosy teny. Dia teny izany vao no nahitana mazava ireo atao hoe: Lehiben’ny andrim-panjakana isan-tokony? Sao mba tokony hisy hanazava ihany izany rehetra izany mba ho fantatry ny bado sy dondrona toa antsika mpitazam-potsiny e!

Inona marina no tena fototry ny lanonana natao teny? Mbola hitohy mandrampahatapitry ny taona mantsy ny fankalazàna .Tsy afaka ny hilanona, ho’aho, ny Malagasy raha tsy hainy sy fantany izay tena maharesy lahatra azy. Sa dia hihinan-kena tsy fantatra anarana? Toa tsy hihinana akory anie e! satria ny hena, hono, efa eny am-pelatanan-tsaka e! Sa moa tsy izany ilay filazany azy?

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra