mar.

29

juin

2010

Ambaniala Itaosy Jiolahy: mitam-basy saron’ny fokonolona

Tsy miafina endrika intsony sady manafika amin’ny antoandrobenanahary ny jiolahy mitam-basy amin’izao fotoana izao. Ny alarobia 23 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, raha avy naka “versement” teny amin’ny mpivarotra teny amin’iny faritra Itaosy iny ny lehilahy iray mpamatsy fahana telefaonina dia nifanehitra tamina jiolahy telo tao Ambaniala Itaosy.....

Tsy nisaron-tava ireto jiolahy ireto. Totohondry sy fanakendana ary fanambanana antsy avy hatrany no nihatra tamin’ity lehilahy ity, izay tsy afaka nihetsika. Lasa tamin’izany ny vola 2 100 000 ariary sy ny “puces” vitsivitsy tsy fantatra nomerao ary ny karine misy ny anaran’ireo mpanjifany. Rehefa afa-po dia nandositra ireto jiolahy ary nanapoaka basy indray mandeha ho fampitahorana izay olona manaraka azy. Niantso vonjeo anefa ilay olona voaendaka ka raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny fokonolona sy izy telo lahy. Tratra soa amantsara teny an-tanimbary ireto jiolahy, niaraka tamin’ny basy vita gasy. Raha ny filazan’izy ireo anefa dia tsy hita nandritra ny fifanjevoana ilay sakaosy nasiana ny vola. Notondroin’izy ireo ihany koa ilay olona tompon’ny basy nampiasainy. Ny polisy eny amin’ny kaomisarian’ny polisy Itaosy no niandraikitra ny famotorana ary efa natolotra ny fitsarana ny 25 jona teo ihany ny raharaha. Tsy kely lalana intsony ny ratsy amin’izao fotoana izao, fa dia ny aza voany ihany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra