lun.
28
juin
2010
Voaomana ny tetik’asa entina hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena eto Madagasikara, araka ny nambaran’ireo vondron’olompirenena, miara-dia amin’ny raiamandreny mijoro.Ny tanjona dia ny hahatongavana amin’ny fihaonambem-pirenena ka mialoha izany dia ny dinika santatra no hanombohana azy. Olona iray isaky ny distrika, miisa 119 no efa amperinasa amin’ny fanangonana ny hevitr’ireo antoko na fikambanana eny anivon’ny faritra eny.
Ny 2 jolay no hiatrika fiofanana eto an-drenivohitra ireo olona rehetra voakasiky ny raharaha any amin’ny faritra. Aoarian’io no fantatra ny daty hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena.Haharitra roa andro sy tapany ny dinika santatra. Ny vondron’olom-pirenena no tompon’ny fikarakarana fa ny fanjakana kosa dia voalaza fa hanohana fotsiny ihany. Any ho any amin’ny 25000 any ny olona hanatrika ny fihaonambe nasionaly, izany hoe ny kaominina eto Madagasikara dia handefa olona 200 avy, miampy ny olona 12 isaky ny distrika. Na inona sakana, na inona hoy ny mpikarakara dia tsy hitsoaka an-daharana izy ireo raha tsy vita ny fihaonambempirenena. Miantso ny ankolafy telo ny vondron’olom-pirenena mba hanana fitoniana ka hanaiky handray ny fanasana azy amin’ny dinika rehetra hatao eto amin’ny firenena. Tsy maintsy hisy ny fotoana hihaonan’ireto vondron’olona ireto, amin’ny solontenan’ny ankolafy telo.