lun.

28

juin

2010

26 JONA 2010: Kabarin'ny Filoha Ravalomanana

Ny voalohan-teniko ry vahoaka Malagasy dia ny fisaorana an’Andriamanitra lehibe . Izy tokoa no tompon’ny fahefana sy ny fandaharana ka na dia tao anatin’ny fahasahiranana sy ny fijaliana aza ny vahoaka Malagasy dia tratr’izao asaramanitra izao.koa “Arahabaina tratry ny tsingerin-taonan’ny fahaleovantena 26 jona 2010. Arahabaina manokana ihany koa ny foloalindahy izany mankalaza izany faha 50 taonan’ny tafika Malagasy izany. Iarahantsika mahalala ny zavamisy eto amin’ny firenentsika ary fantantsika tsara fa tsy misaraka ny fahaleovantena sy ny fankalazana ny fetin’ny foloalindahy. Andro iray izay ahafahantsika mandinika sy mamakafaka tsara ny zavamisy eto amin’ny tany sy ny fanjakana izao. Koa miantso manokana ny foloalindahy aho mba hampihatra marina ny faneva izay natao, ny fianianana izay natao dia “Ho an’ny Tanindrazana”, fotoana anankiray izay isintonako ny sainareo izao ary fotoana anankiray izay isaorako manokana ireo izay tsy nikely soroka fa nitady sy niantso ny hamerenana amin’ny laoniny izany foloalindahy izany sy ny hampahafantarana izany fifampitondrana eo anivon’ny foloalindahy izany.......

Hitanay, hitan’izao tontolo izao ny hetsika nataonareo koa dia misaotra betsaka ary miantso anareo lehiben’ny commandement aho mba hiray hina tsara ny tafika Malagasy mba ahatanteraka ilay teny hoe: ianareo no “Tandroka Aron’ny Vozona” ary kitro ifaharan’ny firenena koa amin’izao fahasahiranana manjo ny firenentsika izao handray ny andraikitra sahaza anareo anie ianareo rehetra ary tsy homba ny atsy na ny aroa fa tena hampiseho tokoa fa tena “Tandroka Aron’ny Vozona”. Isika Malagasy rehetra dia samy mahita sy mahatsapa ny manjo ny firenentsika, izao tontolo izao dia mahafantatra tsara ny manjo sy mahazo ny vahoaka Malagasy. Herintaona sy tapany izay lasa tany tsisy fanjakana satria tsy ankasitrahan’izao tontolo izao ny fanjakana tsy ara-dalàna mijoro. Tany tsy fehezin-dalàna intsony ny firenentsika samy manao izay saim-pantany . Tsy atokisan’ny vahoaka intsony , eny fa na dia ny fitsarana aza , lasa fitaovam-pamoretana hanenjehana sy hanagadrana tsy amin’ny antony, voahitsakitsaka tanteraka ary voahosihosy ny zo maha-olombelona . Noporofoin’ny firenen-drehetra izay nivory tany Genève izany tamin’ny faha 10 volana jona lasa teo ary nohamarinina sy nohamafisin’ireo parlementaire eropeana. Nampiharina tamin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna any Madagasikara ny sazy mba ahatonga azy ireo hiverina amin’ny fifampidinihina . Misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy tsirairay nefa izany koa miantso anareo aho, ny tombontsoa ambonin’ny firenena, ilay fitiavan-tanindrazana marina no tokony no hifantoka ao an-tsain’ny tsirairay avy ary ny hanangana firenena tena vanona no tanjontsika mianakavy koa tonga ny fotoana amin’izao fankalazantsika ny faha 50 taonan’ny fahaleovantena izao; mba tsy ho fahaleovantena sarintsariny fa tena fahaleovantena tanteraka, fahaleovantena tsy tsabatsabahan’ny hafa fa fahaleovantena hahamasi-mandidy ny Malagasy. Diso hevitra tanteraka ny fanagadràna tsy amin’ny antony ireo mpanao gazety izay manao ny asany ka milaza ny zavamisy. Tena mamoafady, tsy fanao ny fanenjehana sy famonoana ireo mpitondra fivavahana raha mijoro sy mitsangana ho vavolombelona izy ireo ka milaza ny zavamisy ary mananatra ny vahoaka Malagasy. Mahatratra 48 eo ho eo ny isan’ireo manamboninahitra miaramila, zandary, polisy mbola eny am-ponja ary eo amin’ny 163 eo ho eo ny isan’ireo mbola migadra . Midika izany fa mbola ao dia ao ny disadisa , tsy fitoviam-pijery ary mahatonga ny fifankahalàna . Tsy afaka hilaza izany isika fa mihavana ny Malagasy amin’ity andron’ny 26 jona ity, andro iray ankalazantsika ny faha 50 taonan’ny fahaleovantenantsika. Henoy ny feon’ny fieritreretana fa “Masina ny Tanindrazana”ary lehibe dia lehibe ny firaisankina sy ny fifankatiavana. Aleo very tsikalakalam-bola toy izy very tsikalakalam-pihavanana . Tonga ary ny fotoana hahatonga antsika samy handinin-tena ary hampivondrona na indray ilay firaisankina. Ny hafa aty ivelany aza toy ny vondrona sadc, firaisambe afrikanina, eropeana ary amerikana, ny asiatika mivondrona manampy antsika maika ve fa isika samy Malagasy? Hitan’izao tontolo izao koa ireo fanambarana nataon’ny société civile izay manana fahavononana tokoa amin’ny fitadiavana izay vahaolana, mankahery anareo izahay. Tsy ny fandaniana vola be hanafarana ny artista na ny mpanao zavakanto akory no hanafaka ny fahasahiranana sy ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Mandalo ihany ireny fa ny zavadehibe amin’ny vahoaka Malagasy dia ny hivoahana amin’izao fahasahiranana sy ny fahoriana mianjady aminy izao noho ny fisarahana amin’ny fianakaviana. Zavadehibe amin’ny vahoaka Malagasy ny fahitany asa ary zavadehibe amin’ny vahoaka Malagasy ny fampianarana ny zanaka. Ankehitriny anefa,hoy aho hoe tsisy asa, tsisy vola miditra , tsy afaka hampianatra ny ankizy vokatry ny sazy izay mihatra amin’izao fitondrana tsy ara-dalàna izao, tompon’andraikitra amin’izany isika mianakavy. Tonga ny fotoana hampivondronantsika indray ilay hery ahatonga antsika hifanazava, hifampidinika ary hametrahantsika amin’ny maha izy azy ny firenentsika satria masina ny tanindrazana. Koa manantitrantitra ny antso atao amin’ny foloalindahy aho mba hifampidinika ary hifananatra fa izay no zava-dehibe hamerenana indray ny fitsipi-pifehezana sy ny fifampitondrana eo anivon’ny foloalindahy sy ny mpitandro ny filaminana. Koa enga anie mba samy hahatsiaro tena ary handinika ny zavamisy isika. Ny hanangana firenena tena vanona no tanjona ataontsika mianakavy ary mahatoky isika fa hiverina hanampy antsika indray ireo firenen-dehibe , mpamatsy vola ahatonga ny firenena malalantsika hiroso amin’ny fampandrosoana marina sy maharitra ka dia ho tanteraka soa aman-tsara anie izany. HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA

écrire commentaire

Commentaires: 7

  • #1

    narizah (lundi, 28 juin 2010 09:34)

    Ho tanteraka tokoa anie izany.Homba anao koa anie Jesosy Kristy.mahereza dada a fa homba anao Jesosy ,ny marina tsy mba maty.

  • #2

    ramahiratra (lundi, 28 juin 2010 11:34)

    tsara le kabary mitanisa,fa ny fanontaniana de hoe:IZA MOA IZA no tompon'andraikitra nahatonga ireo zvtr rehetra ireo iseho?zaovao hoe dony aho ranaotra,tsy nosorohana aloha ny ny zvtr rehtr fa zao vao hitsabo ,tsy efa tara loatra ve,hatramizay tsisy etat d'ame rehefa manampakevtra ka zao koa tsy asian'ny olona etat d'ame zany.aleo aloha izy eo fa ho hita eo koa ny ataony.nareo teo tsy hita zay natao fa 50 taona vao andao anao izao andao anao zaroa e!

  • #3

    Rajamba (lundi, 28 juin 2010 14:22)

    mitovy hevitra aminao aho. Zary lasa pli vava lé kabary e! fanambarana e! Antso an tariby e! Madilo ny sofina satria tsy misy "reconfort" ho an'ny vahoaka mitsy fa dia mamerimberina zao disque efa heno teo aloha izao, tsy hita izay lazaina fa fitiavan-tanindrazana. Normal zandry kely raha mahazo olona satria miala voly sisa no hita manala ny adim-piainana. Ianao miteny io mihanoka anatin'ny fihinanambe sy ny harena. Raha ny tafika koa aloha no ho sermoner na dia rano araraka an damosin ny gana fotsiny e. Jereo ry zareo tafika nandray anjara tsy nisy olana satria mety nahazo tambim bola, chiffre mavesatra. Ka raha mbola discours otran'izao dia pôkaty otrany an'i zandry kely tam 26 ihany ka aza miteny tsony fa makadilo sofina.

  • #4

    narizah (mardi, 29 juin 2010 06:14)

    Avelao izy hiteny fa aza tampenam-bava.ny anareo no makaren-tsofina,ny mahasoa aloha zay vao ny maha -finaritra,zay tsy nanota t@ nareo no aoka hitora-bato azy.rajamba sy ramahiratra ve tsy iray ihany e,rehefa tsy mahazaka ny kabary ny dada de apoahy @ poto ny loha.

  • #5

    zarina (mercredi, 30 juin 2010 15:14)

    eh eh tena marary fo am'tsy antony ko ry nariza zany, kabary nokabarina taiza moa zao io, ze mahavidy gazaty iany no nahita an'io, neny zandry kely naheno aby M/car ray vohitra, nilay ery zao ny 26, mba nahita ny tsy fahita, teny amin'ny magro aza tsy nisy n'inoninona ny vava fotsiny no atatatata eo fa tsy misy miheno enao ry ravalo ah, jereo tsara ny baolina any Afric du sud, tsy firenenao intsony ny aty fa enao aza tsy afaka mody aty tsony fa aza b blabla eo

  • #6

    zina (vendredi, 02 juillet 2010 07:22)

    R8 dia olona mampiresaka tsy misy ohatr'izany, mody miantso an'Andriamanitra izy nefa ataony mahita faisana izay tsy manao izay tiany, tena nitondra faisana mihitsy ireo nanodidina azy, ny vadin' ny sasany aza moa alainy ankitsirano be izao, izany ve dia tena olona tsara fanahy tsy mendrika ny hitondra firenena intsony iny fa tena rangahy mpamitaka sady ratsy toetra no tsy mino an'i Jesosy Kristy tompo sy mpamonjy

  • #7

    rafrah (lundi, 12 juillet 2010 06:05)

    eh! aza mitsara hono fa mbola ho tsaraina e

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra