ven.

25

juin

2010

Tokony ho fety mandavan-taona

« Olona izany, olona izany », hoy ity ramatoabe iray omaly hariva raha sendra nandalo teny Anosy, ka nahita ireo olona marobe sesehena nijery podium. Vahoaka an’alin-kisa hatrany no tonga mijery fampisehoana maimaimpoana eny Anosy isan-kariva. Mifety ny vahoaka. Hadino vetivety aloha ny krizy, sady tsy mandoa vola fa saran-dalana mandroso sy miverina ihany dia ampy e! Sady mahita mivantana ireo mpanakanto vahiny, izay tsy fahitaraha tsy amin’ny fahitalavitra e ! Koa maninona moa raha asiana fety foana mandavataona,dia ho maro ny vahoaka ho avy. Fenoina lanonana hatrany manerana ny tanana dia mba mifety foana ny vahoaka ary hanadino tanteraka ny krizy hiainany. Tsy mahalala ny tsy fisiana ao an-trano sy tsy mahatadidy ny fahantrana ny vahoaka. Fa ho avy « hiara-hifety » hifety hatrany izy ireo.....

Ho avy hiala voly, hijery mpanakanto mihira, hisotro toaka, hidoroka zava-mahadomelina, hiloka amin’ny taikely sy kodiakely ary mba hampiaraka kely e! Ny hany olana angamba sisa dia ny vola hikarakaran’ny fanjakana izany, toy ny vola hanafarana sy hampiantranoana ireo mpanankanto avy any ivelany miampy ny karaman’izy ireo, ny vola hatao karaman’ireo mpanankanto malagasy ary ny fandaniana amin’ny fikarakarana rehetra sy ny fanamafisam-peo mbamin’ny lampihazo sy ny jiro. Tokony asiana fety foana mandavan-taona mba ahafahan’ireo mpanao politika milaza azy ho mamim-bahoaka ireo miara-maka sary amin’ireo vahoaka marobe sesehena dia aely manerana an’izao tontolo izao e ! Amin’izay hitan’ireo fikambanambe iraisam-pirenena fa sitrapon’ny vahoaka tokoa ny nametraka azy ireo hitondra azy, fa tsy an-tery araka ny tsaho aelin’ireo tsy tia sy ireo efa naloan’ny vahoaka. Ho gaga sy talanjona ihany anefa ireo fianakaviambe iraisam-pirenena raha mahalala fa hay sarina filoha sy minisitra niara-nijery podium tamin’ny olona marobe teny Anosy ireo fa tsy sarin’ny vahoaka manohana fitondrana akory. Izahay aloha vonona foana na hisy fety isan’andro aza mandavan-taona e !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra