ven.
25
juin
2010
Maresaka sy malaza aoka izany ny fiantsoana ny vahoaka ho avy hijery sy hilanona anatin’ny fankalazanany fetim-pirenena, miaraka amin’ireto mpanankanto vahiny. Nafaran’ny Fat manokana izy ireny, hanetsika ny toerana maro natokana amin’izany. Araka ny vaovao voaray,dia somary nahasorena ny mpanankanto Malagasy ihany ity fihetsika ity. Nahoana tokoa moa, rehefa te hametraka ny hampom-pirenena ihany, no tsy ny ny an’ny tena no asandratra fa ny an’ny hafa, izay tsy fantatry vahoaka asaina hiatrika azy akory, nohandaniana vola tsy tokotsy forohana toy izao ? Sao tonga amin’ilay fitenenana hoe : « Valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia azy » ? Soa ihany fa tsy ny vahoaka velively no mandoa ny hareny. Ankoatra izay, ilay hira faneva ihany koa dia tsy sahaza loatra ny fankalazana ny fiverenan’ny fiandrianam-pirenena loatra. Rehefa tsy misy ny fitiavan-tena, dia manjaka ny fitiavantanindrazana sy ny manodidina. Saingy ny hira tsy miantso izany fihetsika izany, « hahena » fotsiny ihany, hoy izy. Farany, lafin-javatra tsara loatra: vonona ny mpitondra sy ny mpanao politika « hanolotra‘zay tsara indrindra hanondratana avo ity Nosymamintsika ity. » Izany hoe, hatramin’izay variana tamin’ny fitatazana ny soa fa tsy nisy ny fanolorana avy amin’ny tena. Soa izany ! Tsara izany ! Izany ka hambom-pom-pirenena !
raha izaho manokana diasty mety takatry ny saiko ty resaka ambo haverimberina lava ity. Ny olona manan-kambo mantsy dia manana hevitra na fisaina harovana. ka misy an'izany angaha eto? mety ho izaho no kely saina k'ah
Efa nilevina impito madifotr'olona izany? Izay no antony tsy ahafantaran'ny Mpanoratra etsy ambony hoe inona izany hambom-pom-pirenena izany! Satria mihevaheva eo anelanelan-kolontsaina roa samihafa koa rehefa hanontaniana ny Maha-Malagasy anao dia dia tsy fantatra loatra! Dia hoy aho hoe i Gasikara ve ho Gasy Tsara sa ho Gasy tara eny foana e?
Ny hoe "ambom-pom-pirenena"dia ny mpanao politika no tena tia miteny azy io mba hanairany ny olona izay tsy miorina tsara mba hataony fitaovana fa raha amin'ny Malagasy mazava fisainana tsy ilaina akory ny miresaka izany!
