jeu.

24

juin

2010

Amin’ny 10ora 16mn no tsara ny firaisana ara-nofo

Misy mametraka fanontaniana hoe misy orany veny fanaovana firaisana aranofo tena mahafinaritra ? Mamaly an’izany ny mpikaroka Britanika, ka toy izao ny zavatra hitany. Eo amin’ny 10 ora alina sy fahefany mahery iray minitra eo no voalaza fa ora tena idealy tsara hanaovana firaisanaara-nofo. Raha tsy nahatratra an’io ora io ianao dia aza matahotra fa izao : voalaza ihany koa fa rehefa zoma dia amin’ny sivy ora alina no tena tsara, amin’ny sivy ora sy sasany maraina kosa ny alahady. Koa fahano hifanaraka amin’izay ary ny famantaranandronao. Mikasika ny faharetan’ny fanaovana firaisana ara-nofo indray dia eo amin’ny telo ka hatramin’ny 13 mn eo ny ora idealy, araka ny fahitan’ny manam-pahaizana amerikanina sy kanadianina azy. Fohy loatra hono ny iray sy ny roaminitra ary lava loatra ny folo sy ny antsasakadiny. Ho an’ny ankamaroan’ny mpivady dia maharitra 7,3mn ny faharetan’ny firaisana aranofo tena antonony.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    toubs (vendredi, 06 août 2010 13:50)

    Iza no efa nanandrana sy nanao fampitahana, dia nanao ahoana ??? Tena misy mahasamy hafa azy tokoa ve !!!!! tpt

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra