mer.

23

juin

2010

Mondial sa podium ?

Fety lehibe roa samy hafa no mitranga sy iainantsika eto Madagasikara ankehitriny, izay mahafaka kely ny fanaintainana ateraky ny krizy mbola mitambesatra ao am-po sy ao an-tsaina. Tsy inona ireo fa ny fankalazana ny fetin’ny fahadimampolo taona niverenan’ny Fahaleovantenan’ny Madagasikara sy ny « mondial » na ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany, sokajy baolina kitra, atao atsy Afrika Atsimo. Na dia tsy mivantana aza dia be mpanaraka ary maro mpankafy ny « mondial », toy ireo firenena rehetra maneran-tany. Ao anatin’ny safidy manadala isan’andro ny vahoaka tsirairay ankehitriny. « Mondial » sa « podium » ? ...

Samy mahoraka avokoa ireo ary mifanindry ihany koa ny ora handehanan’ireo lalao ao amin’ny fahitalavitra manerantany sy ny fampisehoana etsy Anosy, dia ny « podium » izany. Samy fety indray mipoaka ihany koa ireo, izany hoe tsy misy « rediffusion » fa bala tokana. Mizarazara ny safidin’ny tsirairay. Ao ireo mankafy baolina izay mbola ambiansy foana hatraty amin’ny faramparan’ny taonjato faharoapolo. Milamina ihany koa rehefa mijery azy ity, satria vata fahitalavitra iray dia ampy hahitana an-dry Kaka sy Messi ary Cristiano Ronaldo. Tsy mandany saran-dalana sy herim-batana. Mbola afaka mitsotsotra ao an-trano ihany koa sady mba miarakaraka amin’ny akama. Tsy adinoina ny zava-pisotro sy ny tsakitsaky kely dia lafatra ny baolina kitra. Ao koa anefa ireo mpankafy fampisehoana. Saika isan’andro dia misy karazana mpanakanto maro samihafa etsy amin’ny « podium » Anosy. Tsy andoavam-bola izany, fa saran-dalana mandroso sy miverina ihany dia ampy na mandeha « ligne 11 » dia basy e! Rehefa tonga eny dia milanona tokoa. Mifampitakosona amina karazana olona maro, izay efa hananika ny analiny maro. Mitora-jofo ary miemboka karazana fofona isan-karazany. Fa ampy sy feno tsara koa ny ambiansy miaraka amin’ireo mpanakanto malagasy izay be mpankafy. Vao mainka moa nolaroin’ny fitondram-panjakana ireo mpanakanto avy any ivelany maro, saika isan’andro vaky izao. Tsy asiana kajikajy ny vola lany tamin’ny fanafarana sy fampiantranoana ireo mpanakanto ireo sy izay hirany fanta-daza na tsy fantatry ny Malagasy any, fa rehefa misy mpanakanto hafa tsy toy ny mahazatra hatrizay, sady tsy fahita raha tsy indray mandeha monja ihany eo amin’ny fiainanana dia teraka ho azy ny ambiansy. Anao ny safidy ary : « mondial » sa « podium »

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    lita kely (mercredi, 23 juin 2010 10:11)

    za ndray dia mijery mondial no tiko satria efa tsy ao intsony i Afrika atsimo. manjary tsy laitra le kiantranoantrano.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra