mer.
23
juin
2010
Tsy mena-mitaha amin’ny faritra hafa ny Faritra Analanjirofo. Manan-karena tokoa izy saingy… tsy nomen-danja ny harena ananany. Tsena eo amin’ny Faritra manodidina ! Nandefa iraka ny amin’ny Faritra manodidina ny lehiben’ny Faritra, hijery ny fifanarahana azo hapetraka. Raikitra ny fampandrosoana Nandritra ny roa andro (16-17 jona), tonga tany an- toerana ny solontenan’ny
mpandraharaha avy any Bongolava, Itasy, Amoron’Imania, Analamanga, Atsinanana ary Vakinankaratra, namaly ny antso sy nanombanaihany koa ny zava-misy ao Analanjirofo. “Eo ampanatontosana ny fenitra ara-drafitra sy araka ny lalàna sy ara-barotra izahay, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra, Saina Michel. Eo am-piandrasana izany, dia efa samy mifampiresaka amin’ireo mpandraharaha isam-paritra ny tompon’andraikitra...
Tanjona moa dia ny hisian’ny fifampiraharahana sy ny fifandraisana ara-barotra matotra. Hisokatra ho azy ny lalam-barotra.”M a n a n - k a r e n a Analanjirofo eo amin’ny famokarana mangahazo, katsaka, vary, vomanga ary oviala na ovibe. Ananany betsaka ihany koa ny harena an-kibon’ny tany, saingy zara raha voatrandraka izany. Na tsy hifaninana amin’Itasy sy Bongolava, na ihany koa Vakinankarat ra amin’ny resaka haza an-dranomamy aza Analanjirofo, dia izy irery no afaka manolotra haza andranomasina amin’ireto ho mpiara-miombona antoka aminy atsy ho atsy. Io rahateo no mahasarika sy manavanana ny maro amin’ny mponina ao aminy.Toy izay ihany koa ny fiompiana omby, kisoa, hatramin’ny trondro. Ny vary manokana Tany mirefy 75 843 Ha ka ny 44% ao Maroantsetra no azo volena vary ao amin’ny Faritra. Ny 20 425 Ha ihany kosa no tsara rano. Ankoatra ny ilana toho-drano, dia faritra be orana iny ilany atsinanan’ny Nosy iny, ka ilana fandraisana an-tanana manokana. Indroa mamokatra vary ny Faritra ; ka ny 87 858 Ha mandritra ny fotoan’orana ary ny 72 290 Ha mandritra ny fotoana mangatsiaka, izany hoe 160 148 Ha. Ireo fotoana ireo no hiakaran’ny vary akotry milanja 479 516 taonina eo ho eo isan-taona.« Tsy hianona amin’io velaran-tany io ny Faritra,hoy ny CR Saina Michel, fa ho tafakatra hatrany amin’ny 170 775 Ha ny voly vary amin’ity taom-pamokarana ity. Izany hoe manodidina ny 540 000 taonina raha fararano. »