mar.
22
juin
2010
Rahampitso no hiakatra eo anivon’ny fitsarana ny raharaha 7 febroary. Fitsarana izay niniana natao amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-50 nahazoana ny fahaleovantenam-pirenena izao. Ny eo anivon’ny fitondranana FAT no hita toa namaritra ity daty hanaovana ny fitsarana ity, izay heverin’ny mpanarabaovao, fa fitsabahana mivantana amin’ny asan’ny fitsarana eto amintsika. Ny filoha teo aloha Ravalomanana no heverin’ny hafa fa tiana ho potehina amin’izao fitsarana izao. Ireny niarahana nahita ireny ny fikasana hampody azy avy atsy Afrika atsimo, saingy toa tsy tanteraka ilay fikasana.......
Ny antony, dia fitondrana tsy ankatoavin’izao tontolo izao no misy eto, ary mpitondra mizaka ny sazy ihany koa ny 109 amin’izao fitondrana tetezamita izao. Midika izany fa raha nisy io fikasana hampody an-dRavalo eto an-tanindrazana ho tsarainaio, dia lavin’ny fitondrana ao Afrika atsimo.
Iza no diso?
Manoloana ny raharaha 7 febroary 2009 iny, dia maro no azo ambara fa tsy ho afa-bela amin’iny. Eo ohatra ireo nitarikany vahoaka nanani-dapa. Toerana ho an’ny filohampanjakana io, ary hentitra ny fiarovana izany. Tsetsatsetra tsy aritra no hilazana, fa ny kianja etsy Ambohijatovo aza arovana mafy, koa mainkafa lapam-panjakana? Iny dia andraikitry ny fitsarana tanteraka ny manao ny fanadihadiana rehetra, fa manantena ny tena fahaleovan-tena hananan’ny fitsarana ny maro. Raharaha tsy azo hirotorotoana io fitsarana mombany vono olona nandritra ny 7 febroary io. Ny filoha teo aloha, dia niantso ny hametrahana ny raharaha ho eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena, ary hisokatra ho an’ireo izay isan’ny tompon’antoka tamin’iny ihany koa ny fanadihadiana rehetra. Ho hita eo izany ny havoakan’ny ampitso, ary tsy azolavina, fa misy ny olona no manambara fa io indray no isan’ny fanamelohana ilay filoha teo aloha nandositra any ivelany, ary entina hampangina azy tanteraka. Izay ve anefa no hampilamina ny tany, indrindra fa ankatoky ny fety no hanaovana ity fitsarana ity?
Basy vava
Misaotra ny gazety Basy vava. Raha ho ahy manokana dia nanenina mihitsy aho niditra anatin'ity Fitondrana ity. Izao vao tena tsapako ny fahendren'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny tsy fahampian'ny fahaizana manapak-kevitr'i Andry Rajoelina. Amiko manokana aloha dia izay nanatitra ny olona any amin'ny toerana tsy tokony hanaterana azy dia mendrika helohina. Ny olona nateriny tan¨. Izy tsy hita ny nalehany. Dia atao izay hamonoana ny olona mba hahatezitra ny valala be mandry ary avy eo dia azo mora ny toerana satria ho maimbo ra ny vahoaka. Paikady efa tsara fiomanana izany ka tsy misorona aho manambara izany etoana. Ny tena mampalahelo dia ny Minisitry ny fiarovana tamin'ny fotoan'andro izay tena mpamosavy malemy.
i Rajoelina no tompon'andraikitra voalohany nampamono olona tamin'ny 07 février 2009:
Aiza ny fitsarana? An'iza dia iza no ao? Iza no mibaiko?
Maro no zava-nitranga teo aloha ary mbola nahatsiravina nohon'ny t@ 07 febroary 2009. Firy koa moa no olona efa matin'ny F.A.TTsy mifanalavitra ny isa fa afenina mafy. Hanontanio tsara ny olona voa
t@ireny fanehoan-kevitra teny Ambohijatovo sy ny sisa.Fa naninona no arahan'ny Emmoreg hatrany @ hopitaly ny maratra?
Fomba fanaon'ny olona lany hevitra ireny mitarika olona ho vonoina ireny (tadidio 10 août 1991).
Ho sahy hitarika olona ho eny amin'ny Place Rouge ve ny mpanohitra sinoa.
Ho sahy ihany koa ny mpanohitra rosiana hitarika olona eny amin'ny lapan'ny Kremlin, ny amerikana eny amin'ny Maison blanche...
Ka iza no mpamono? Amiko dia izay nitondra no mpamono.
Ny vy tsy nikitrana irery. Ny vidéo dia mazava tsara fa ireo mpitarika no namporisika ny olona hamono tena.Maro ireo olona naratra voan'ny bala avy aty an-damosina ary balan'na Fusil à pompe, calibre
12 sy 14. F'angaha mampiasa an'izany ny tafika?
