mar.
22
juin
2010
Mafy izany mba te-hovadin’i Patron izany. Teny Soalandy no nitrangan’ny tantara, andro maro lasa izay. Asa izay tena mba tao andohan’ity mpanampy an-trano 18 taona, fa dia roboka nanao ny tsy fanao ny anao vavy. Mpamboly sady mpivarotra enta-madinika ny olona hiasany. Ramatoa vadin-drangahy kosa, dia manao varomandeha mitety tsena eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Varotra akanjo fripérie no ataony, ary miainga marainabe, ka tsy miverina rahatsy ny hariva. Rangahy kosa,dia matetika no mitondra nyvokatra etsy Anosizato, ary ny zanany roalahy kely no miara mitoetraamin’ity mpanampyvavy antsoina hoe Lal… ity........
Ny faran’ny volana mey teo no hitan-dramatoa vadiny teo akaikin’ny loharano mivoaka amin’ny vatobe ny silipindrangahy vadiny, izay fantany tsara ny lokony. Nojereny, arynahitany tantely anaty tavoahangy sy tapa-kazo kely mifono tapaka gazety. Misy volo mihorongorona ihany koa niaraka tamin’ireo, ary ny sary tapaka an-drangahy vadiny. Nentiny nody ireo, ary naseho teo imason’ireto vady aman-janany sy ilay mpanampy. Nandà hatramin’ny farany ity mpanampy ity, ary rehefa nambara fa asaina misotro ranom-bolamena sy hipaika baiboly ny anao vavy vao natahotra. Vaky barara teo izy, ary nambarany fa ody fitia ho an-drangahy Patron io. Mba efa ela aho no tia an-drangahy Patron hoy izy, saingy izy tsy taitra amiko mihitsy, na dia efa hanaovako fihetsika manintona aza. Nanantona mpanao ody tany Antsahadinta aho hoy izy, ary ireo hitan’i madama ireo no nasainy nataoko. Efa nisy vovon-javatra saika hatao amin’ny sakafony hoy izy, saingy mbola tsy vita io, fa ireo silipy sy volony ireo no azokona tao aloha hatramin’izao. Tsynitory ramatoa vadiny manoloana izany, saingy noroahany nody any amin’ny tany niaviny any Faratsiho kosa ity vehivavy saika hamorika tao an-tranony ity. Izay tokoa ny hoe mba tandremo ihany ireny mpanampy ireny, fa hiasa no anton-diany, saingy ny hitsiriritra ny hasambaranao no tanjony.
Raleva zokiny
zany eo ihany fa efa miroborobo koa izao ny patron mandry @ mapampiny, na koa ny zanakalahy ao an-trano mandry @ mpanampy, ity farany tena betsaka satria dia fantatra fa ny 40% eo ho eo ny bandy depucelé na nanao firaisana voalohany dia t@ mpanampy no nisatarany an'izany. Ny olana dia vitsy anefa no par consentement, fa dia fanerena (chantage) no betsaka, ankoatr'izany dia tsy vitsy ireo tovovvavy kely izay iharan'izany, satria tsy vitsy koa ireo lehilahy no te handry @ sipa virjiny...
