mar.

22

juin

2010

« Mondial »: Baolina sa sipa ?

Mbola mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana izao aloha ny « mondial ». Tsy natao ho an’ny lehilahy irery io tontolo iray io fa afaka mandray anjara ihany koa ny vehivavy. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Parship mantsy dia manana ny heviny momba ny vehivavy tia baolina kitra nyl ehilahy. Ny 67%-n’ny lehilahy hono dia mahita fa manaitaitra na hoe “sexy” kokoa ny vehivavy tia baolina kitra. Ny 47%-n’ny lehilahy Irlandais no taitra amin’ireo vehivavy mahafantatra ny fitsipi-dalao mifehy ny baolina kitra, 38% ny Néerlandais ary 36% ny Belges. Raha mahafantatra anarana mpilalao baolina indray izy dia mbola mahataitra ny 36%-n’ny Néerlandais, 34%-n’ny Frantsay ary 33%-n’ny Espagnols.....

Tsy araka ny heverin’ny ankamaroan’ny vehivavy anefa fa manana ny safidiny ihany koa ny lehilahy raha tojo izany, fa tsy voatery hirona hatrany any amin’ny baolina kitra ny fony. Raha ampisafidianina hamonjy fotoana amin’ny olon-tiany na hanaraka lalao mahaliana azy ny lehilahy dia ireo ny valin-teny : ny 71%-n’ny Belges no manome lanja kokoa ilay fotoanany amin’nyolon-tiany, saingy ny 25%-n’ny Néerlandais no misafidy ny hijery baolina, raha 23%ny Danois, 17% ny Irlandais. Samy manana ny fombany ihany koa ny tsirairay rehefa hankafy ity “mondial” ity. Ny 64%-n’ny Belges no mijery ny lalao any an-tokantranony, 25% no miaraka mijery baolina amin’ny fianakaviany ary ny 3% no mamonjy trano fisakafoana. Ho an’ny 96%-n’ny lehilahy mpitovo dia sarotra ny hahitana izay ho sila-panahy mandritra ny “mondial”, ny4% kosa anefa no milaza fa mety hisy ny fanantenana. Ary na misy aza ireo vehivavy tia ny lalao baolina kitra dia mahakivy ny 32%-n’ny Belges ihany ny mahita azy ireo manao fanamian’ny mpilalao baolina kitra, izany hoe tsy manaitra.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra