mar.
22
juin
2010
Tsy laitra intsony ny aretina manjo antsika Malagasy eto fa dia mahazo faka tanteraka. Areti-mifindra tsy ahitana fanafana, aretina mikiky, aretina efa nitaiza hatry ny ela fa izao vao tenahita sy tsy takona afenina. Miakatra hatrany ny hafanana sy ny tosi-dra, ka tsy laitra tohinina fa kizitim-belona tsy azo ifampiresahana. Tadiavina daholo izao rehetra tsy ho takatry ny saina izao. Sorena avokoa na ny marary na ny mpiandry marary na ny dokotera, na ny mpimasy, na ny mpaminany, na ny mpitondra fivavahana isan-tsokajiny. Variana mifanome lamosina isika mianakavy, mifampiahiahy, mifanilika. Fa inona marina moa ilay aretina ? dia taiza no nahazoana azy? sao mba aretina nilaina? sa kabarin-janahary ka tsy azo valiana ? famaizana ve ? sao mba aretin’ny mpanentsinkeloka? Manazava ny sain’ny besinimaro fa tsy hisy raharaha hanjary eto raha samy hanao be marenina.....
Voatondro ho tsy mahafehy intsony ny fitantanan-draharaham-panjakana eto mpitarika ilay fahefana avo. Any amin’izy ireo, hono, mantsy ilay fanefitra efa nandaniana ron-doha marobe, nifandrimbonan’nympikaroka tera-tany malagasy, ary nankatoavin’ireo sehatra iraisam-pirenena fa azo omena ilay gasy marary. Ny mpitazona ny fahefana dia manamafy loha, toa tsy tsapany io aretina manjoan-dRagasy io fa ny fankalazàna ilay tsingerin-taona nahaterahana no maha-somadodoka azy. Tsy maintsy hampandihizina ny marary, tsy maintsy mifety, ary tsy maintsy hatsangana sy hajoro na dia mahia kaozatry ny aretina aza. Mila mifaly amin’ity tombon’andro mbola nomen-janahary hono e ! Fa tsy azon’izy rehetra ireo an-tsaina ve fa tsy manam-pidiny ny marary e ! Na rano mangatsiaka aza sisa hosotroina dia ekeny izany k’ah…Asa raha tsaroanao fa nofaiziny tsy afaka mihinana ny sakafo kely mba omen’ny mpitsetra azy anie ny marary e. Ireny sakafo mba ventimbetiny avy any Eropa moa dia tankina sy ritra fa tsy hitananjavonana. Ka nahoana moa no ho sitrana kanefa ny sakafo ambany foitra ?Izao indray dia malaza fa ny fanafody gasy ihany no hanasitrananany gasy. Ary dia mikenokenona fatratra ireo raiamandreny mpitana ny fomban-drazana fa hitady ilay “mandravasarotra”. Io izany no hampandrifiana amin’ilay fanafody efa nandanianaron-doha e! Fa ny olana dia hahazaka izany fifandroritana izany ve ny marary? Mikatsaka marina ny hialan’ny aretina sa dia fitazoman’aina fotsiny ihany, no imasoan’izy ireo? Leo ny fiverimberenan’ny aretina mantsy ny iray tanàna. Azo antoka fa mbate-hitsinjaka ra-gasy e! Ary aza mbola omena ny sakramenta farany fanomen’ny Eglizy ny zanany aloha fa aleo handramana indray ilay “mandravasarotra”
Ony RAMBELO