lun.

21

juin

2010

Dimam-polo taona izao ny malaza

Handia herinandro vaovao indray isika Malagasy manomboka androany. Raha atao jery todika ny herinadrolasa teo dia novinavinaina ho fantatra ny andro hanaovana fikaonan-doham-pirenena. Ohatrany mbola ao anatin’ny vinavina ihany aloha hatramin’izao izany satria ny vola nantenaina hamitana azy aza mbola tsy an-tanana kamangingina kely indray aloha iny. Ny fanatanterahana izany dia tsy mbola amin’iny herinandro iny raha ny vinavina satria efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazanany faha dimampolo taonan’ny nahazoana fahaleovan-tena isika Malagasy. Mifanontany tena ihany ny rehetra satria ny fandaharam-potoana amin’izao fotoana izao dia tsy misy taoanatin’izay noeritreretina hatrizay. Hita amin’izany mantsyny fanafarana ireo artista maro avy any ivelany. Misy aza moa ireo niteny hoe sao dia mba nahavita ilay fikaonandoham-pirenena ny vola nanafarana ireo artista kalaza maro dia maro ireo. Misy indray nilaza mihitsy hoe somary amiliviliana ny saim-bahoaka ihany izao fampisehoana mitranga etsy sy eroa izao, amin’izay ny rehetra na dia tsy manana asa, sy mitaintaina amin’ny fitadiavana haninaisan’andro, dia any no manala vokona........

Rehefa nanontaniana indray moa ry Rabekabary dia nilaza fa ahoana moa no ijerena ireny fampisehoana isankarazany ireny raha toa ka hamantana trano foana rehefa avy mijery fety noho ny tsy fandriam-pahalemana izay toa zary isan’andron-dRamalagasy ? Rabemenomenona indray moa dia malahelo kely amin’ny antony nisafidianana mpihira vahiny hankalaza izao fahaleovan-tenam-pirenena izao ; manontany tena izy hoe tena mahaleo tena marina ve Ramalagasy. Dia samy miandry ny rehetra aloha hatramin’izao ny amin’izay mety ho tohin’ny fiainam-pirenena satria efa ela ihany izay niaretana izay, na dia lazaina aza fa mahari-pery ny Malagasy, ny kibo tsinona tsy mba lamosina ary raha noana ny vatana mivezivezy ny fanahy. Tsy kivy anefa fa miandry am-pitoniana ary mionona amin’izay ananana ka aleo miventy ilay hira manao hoe: Ry tanindrazanay malalaô, Ry Madagasikara soa, ny fitiavanay tsy miala fa ho anao ho anao doria doria. ... Hesambatra tokoa izahay

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra