sam.

19

juin

2010

Magro Behoririka: Manomboka fantatra avokoa ireo mpitsikilo

Mailo ny rehetra, satria tsy vitsy ny mpamorika etsy amin’ny Magro Behoririka. Taorian’ny nahatratrarana ilay mpitsikilo avy amin’ny RG ny alakamisy telo, ka hita tany anaty silipony ny karatra maha-Polisy azy, dia nanambara ny mpitolona ao, fa fantatra avokoa izao ireo ambara ho mpitsikilo ao.

Mody mitolona ry zareo, hay mandefa ny vaovao rehetra any amin’ny lehibeny araka ny nambaran’ireo mpitolona ihany. Tsy ho gaga isika, raha vao mivoaka ny toerana fanaovana ny fivoriana, dia efa tafita any amin’ny ambaratongam-paherafana rehetra ny vaovao hoy ihany ireto mpitolona ireto. Efa misy ihany ny fisavana ataon’ireo mpiambina ny vavahady, saingy olona fantatrao isan’andro izao no manao tatitra any rehetra any. Mailomailo avokoa ny rehetra amin’ny olona eo anilany mandritra ny famoriam-bahoaka atao eny, ary ny olona sendra miresaka amin’ny antso an-tarobia aza, dia efa hifanotofan’ny rehetra jerena sao isan’ireo ambaran-dry zareo ho mpitsikilo.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra