ven.
18
juin
2010
Isan’taona dia mikaraka fifaninanana ny Unicef, fandaharan’asa iray miasa eto Madagasikara mikarakara momba ny Reny sy ny zaza. Tamin’ity indray mitoraka ity ary dia “ny fanomezam-pitenenana ny ankizy voahilika” no lohahevitra nifaninanana. Maro ireo gazety sy mpanao gazety nandray anjara namoaka matoan-dahatsoratra sy sary momba izany. Anisany ny nibahana tamin’ny voalaza ombieny ombieny ny “fiahiana sy fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra samihafa manjo azy…” Maro ireo ankizy nanaiky ny hanomé ny heviny sy nitantara ny fiainany andavan’andro. Misy ihany koa ireo izay tsy mahafantara ny zony. Ny ankizy tokoa mantsy no lasa sorona amin’izao toe-javatra diavin’ny firenena izao, ary tsy vitsy ny ray amandreny lasa zary “mivaro-janaka” tsotra izao, noho ny tsy fahampiana...
Nandray anjara mavitrika ary “Madagascar Tribune” izay tsy iza fa rahavavin’ny gazety Basyvava ihany, nosoloin’i Harijaona (Farah) tena. Ary tsy nahagaga raha nahazo ny voalohany ny asa vitany satria efa an-taonany I Farah no niasa sy nanoratra mikasika ny “ankizy”. Anisan’ny tarigetrany ny hampahafantatra hatrany ny zo fototry ny ankizy, ahafahan’ireo miaina ao anatin’ny fahandriampahalemana, hiatrehany ny hoaviny.
Raha ny momba an’i Farah manokana: izy dia mpanao gazety mazoto sy kinga, mandray anjara mavitrika amin ny fanoratana ny “rubrique social, environnement, genre….” Ahitana ny lahatsorany ihany koa ny tranonkalan’i Genderlinks sy ipsinternational.org. Bé hanihany sy tsikitsiky izy, ary mankafy sakafo Malagasy. Mahay ihany koa izy manao “imitation”- na mpanao politika malaza Malagasy amin’izao fotoana izao. Miarahaba manokana an’i Farah ny ékipan’i Evitras rehetra, ary mirary raha mirary ny hanondrotra hatrany ny asa fanaovan-gazety, zay azo lazaina fa sahirana ihany amin’izao fotoana izao. Bravo Farah!
Jr
bravo zany ndry ry Farah a!!!!
Fa iza moa izany ilay mpanao pôlitka malaza e?
Lé sarin'i Farah, otrany hoe lé nivoaka avy nisoatra niaraka tami'ilay représentant ny Unicef. Félicitations!
Dia arahabaina izany nahazo ny premier prix e.Tohizo fa tsara ary ny Tompo anie homba anao mandrakariva aminny asa izay ataonao
Zilybe.
Félicitation e!tohizo fa tsara.Marina mihitsy izany nosoratan'i Razilybe izany.
Posy
Mbola tsy voavaly tompoko ilay fanontaniana tetsy aloha hoe iza lé mpanao politika. tsy afaka atao amin'ilay basyvava TV ve?
