ven.

18

juin

2010

Mpanao politika tranainy/ Tompon-daka amin’ny fanonganam-panjakana

Ny asa vita no hifampitsarana! Ny fanjakana niongana ihany koa dia mbola azo hitsarana ireo zoky ray amandreny mpanao politika eto amintsika. Mbola maro izy ireono velona, ary saika nahitana azy avokoa ny fitondrana nifandimby teto. Antoko vitsy sisa no mbola velona tao anatin’ny 30 taona teo. Ny antoko Monima, Akfm, PSD, MFM, ary ny Arema. Ireo no antoko zokiny indrindra mbola miseho sehatra amin’izao fotoana izao. Tsy hiadian-kevitra ny filazana fa manana olom-boafidy ve ireo, na mba firy no isan’ny mpikambana ao aminy. Ny tsy azo lavina kosa, dia saika niteraka tanalahy maro be ireo, ary miovaova manaraka ny toe-trandro politika ny mpikambana ao aminy. Olona niaina tao anatin’ireo no manongam-panjakana lava eto isaky ny misy fitondrana mijoro. Tsy sanatria kosa hilaza hoe ireo antoko ireo no manao izany toetra ratsy izany, fa ireo mpikambana tao aminy ka nisintaka, ary nanangana antoko hafa vaovao. Dia isika no mandinika e. Niainga tany amin’ny repoblika voalohany, ka hatramin’izao tetezamita izao, dia misy olona hita tarehy foana isaky ny fitondrana mijoro. Raha vao aongan’ny mpitondra niara-dalana taminy ireny olona ireny, dia miketrika ny fanonganam-panjakana indray no ataony. Tsy dia manana anton’asa firy ireny olona ireny, fa ny filalaovana politika notena angadiny. Efa zokiny ihany ireny olona ireny ankehitriny, saingy mbola mitana kosa amin’ny fidongiana seza. Mbola maro no miara-dalana amin’izao tetezamita izao ireny olona ireny, ary afaka mitsara azy isika rehetra. Ny tiana ambara, dia azo tsaraina avokoa ireny olona ireny tamin’ny asa izay mba vitany. Eny efa olom-boafidy matetika ireo zoky ray aman-dreny mpanao politika ireo, nefa na ny faritra naha-lany azy aza tsy misy asa mivaingana. Koa ho gaga ve isika raha nanjaka hatrany ity resaka fanonganam-panjakana ity isaky ny 10 taona raha ela indrindra? Mby aiza ny toeran’ny mpanao politika zandriny aty afara, fa toa baikon’ireo goaika antitra hatrany izy ireo, ka zary mivarina any anaty hantsana ny firenena? Aoka kosa anefa ho faritana, fa misy ireo zokybe teo amin’ity fanaovana politika ity no tena nametraka ny politika ny ho amin’ny fandrosoana hanasoavana ny mpiara-belona. Izay tokoa ny hoe fandoto iray tandrokatsy mahaleo ny fandio iray siny an.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra