jeu.

17

juin

2010

Very saina ?

Tsy ny endrika hitondrana ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy no hitodihan’ny ady hevitra ankehitriny, fa ny vontoatin’ny fety mihitsy no tsy fantatra fototra. Na iza na iza hanazava dia tsy hitondra fiaraha-mientana ilay hoe 50 taona niverenan’ny fahaleovantena. Samy manana ny fomba handikany izany ny olom-pirenena, ary ny mpitarika politika amin’izao fotoana dia tsy manana fototra mazava tena hijoroana sy hifotorana, mba ahafahana miara-manentana ny tena lanjan’ilay hoe : fahaleovantena. Lasa ilay endrika ivelany fotsiny no manjary ifanomezanatsiny. Atsangano ny sainam-pirenena e ! Asio fiatoana kelyny adilahy politika e!, Avelao hifety ny malagasy e!Eny ary e! ‘Ndeha hifanentana isika mianakavy, fa ny sainampirenena tokoa no atao endrika mba hanehoana ny tena fahaleovantenantsika. Nandritra izay fotoana lavabe izay ve dia tsy ho tsapa ny dikan’iny saina malagasy iny? Amin’ny fotoana toainona izy iny no tena mampiray ny tera-tany miara-miaina eto?.......

Firy tamin’ireo teratany malagasy miara-miaina eto no nanankambo sahy nilanjalanja ny saina malagasy amin’ireny fihaonana ara-panatanjahan-tena ireny? Ohatra. Saina amerikana, na saina frantsay anie matetika no mba hizestiavan’ny tanora malagasy matetika e!...Ka ireny koa tsinona no mameno ny tsena. Very ao anatin’ilay fanatontoloana ho’aho ny gasy e! “Nyho avy tsaratsara hono no andrandraina izao, ‘ndao amin’izay”. Ka handeha ho aiza? Tsy mampifanaraka ny malagasy intsony ny fitiavana ny tanindrazany, sy ny fireneny, ary ny sainam-pireneny. Lasa fanehoana hevitra sy loko politika ilay tokony hampiray.Raha ny fiforonan’ilay sainam-pirenena malagasy tamin’ny taona 1958, dia firaisan-kina sy fifanotronan’ny mpiray tanindrazanano tena hevitr’ireo loko telo soratra eo aminy. Dia iza amintsika taranaka miaina izao fety izao no tena mbola afakahitandro izany? Sao sanatria lasa valalan’amboa ity fombantsika nifanjevo amin’ny hevitra tsy mitovy ity. Ny olana ho antsika dia misy ireo nisalotra sy nirakotra ny fitafy tsy sahaza azy, ka nampiditra ny malagasy amin’ny pataloha tery. Dia izao isika lasa tery saina izao…nasesiky ny hambom-po diso fipetrakafa midingin-drambo sy sahy mitsikera ny hevitra nateraky ny fisamatsamahana. Mila saina matanjaka izao fotoana diavin’ny firenena malagasy izao. Saina tsy mitanondrika fa mitraka. Saina mampiray hevitra sy mampitovy volo. Saina miatrika ny fahasahiranana andavan’andro. Saina mivezivezy sy mikaroka izay mahasoa kokoa ny ankohonana, ny mahasoa ny firenena iombonana. Ajanony any izay saina mety hampizarazara sy tsy fantatra akory ny dikany. Ny fo sy ny saina matetika dia tsy miaraka mientana ho amin’ny fahatoniana. Misy dikany sy manankarena ny teny malagasy ary tsy tongatonga fahatany tsy akory ny niantsoana ilay faneva hiavahantsika amin’ny hafa hoe: saina. Fa ny malagasy amin’izao manjo azy izao dia sady very saina no miasasaina ka aza mifanome tsiny raha hadinony ny saina.

Ony rambelo

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra