jeu.
17
juin
2010
Izay fonja tsy ahitana mpanao politika,manenina.Raha vao mihiratra ny masoandro, dia mifanontany tena ny rehetra hoe,iza indray no higadra androany ? Ny fandrenesana fiantsoana mpanao
fihetsiketsehana sy mpanao politika, ary mpanao gazety eny anivon’ny mpitandro filaminana tsy lazaina intsony. Ireny niarahana nahita ireny indray ny fampidirana am-ponja ireo Tokobe telo tany
Toliary.Tezitra ny vahoaka,ary nisy ny fakàna takalon’aina
izay voalaza fa mpanolon-tsaina ny Praiminisitra Vital izy io.Tezitra ireo foko any amin’iny faritra iny,satria tsy nangalatra fa naneho hevitra ny havany, nefa dia fonja no natao saka izany tsy
fidiny.Ahiana hoy ny mpitazana ny adim-poko any
Toliary...
Omaly ihany koa no mbola nandrenesana fa hihetsika ny tao Mahajanga.Tonga
any ireo mpitarika ny ankolafy telo,ary hanentana ny vahoaka hanohitra ny ambara ho tsy rariny eto amintsika. Ny eto an-drenivohitra dia io hiarahana mahita io, fa saika isan’andro no hisian’ny
fanehoan-kevitra etsy amin’ny Magro Behoririka. Isan’ny fikomiana ataon’ny olona eto an-drenivohitra ihany koa ny
tsy fananganan-tsaina. Tsy azo lavina kosa anefa, fa misy ireo nitsapatsapa teo
amin’ny raharaha politika ankehitriny,saingy nifitsika tsy hita maty tsy velona izy ireny amin’izao fotoana izao.Isan’io ireo ao amin’ny mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana. Aza manao
politika raha matahotra fonja hoy ny mpitazana,satria isan’ny grady ho an’ny mpanao politika Malagasy izany fonja izany. Ny fandrenesana ireo rehetra ireo, dia ilazana fa miaina ao anatin’ny tsy
filaminan-tsaina ny rehetra,satria na eo aza ny mondial sy ny fety izay atao etsy sy eroa amin’ny fetim-pirenena,dia toa tsy mampangina ny vahoaka manohitra ny fitondrana tetezamita izany.Inona
ary no tena hampilamina ny tany e? Tsy lavitra io, fa akaiky antsika rehetra,ary azo tanterahina tsara, raha misy finiavana kely amin’ny olona iray.