jeu.

17

juin

2010

Ny tsena : Ambohimpihaonan’ny tambanivohitra

Tsy ny fifanakalozana arabarotra ihany no mahavory ny olona eny an-tsena, raha ny any ambanivohitra no asian-teny, fa eny no fihaonamben’ny mpianakavy mifanalavitra fonenana. Efa misy ny toerana fanaovana
fotoana isaky ny tsena toy ny hoe eny amin’ny tsenan-kisoa, na eo amin-dranona mpivarotra kafe, na eny amin’ny mpivaro-bary, sns…Na dia eny
an-tsena aza no miresaka ireo mpianakavy dia manankery ny hevitra tapahina eo. ...

Ohatra amin’izany ny fikarakarana raharaham-pianakaviana toy ny famadihana sy ny fahasoavana samihafa. Saika eny an-tsena avokoa no miorina ny anambadian’ireo mponina ambanivohitra. Ny tsena sasany any ambanivohitra be any dia efa misy marika hahafantarana ny olona mitady vady, sy ny olona te alaina ho vadyDia mitombo arak’izany ny fianakaviana mifanerasera izay nakamban’ireny olona lasa mpivady ireny. Fotoana isehoan’ireo voatantara rehetra indrindra izao andro ririnina izao. Saika eny amin’ny kisoa sy omby no mifamotoana satria io no sakafo hiaraha-mividy amin’ny raharaha hokarakaraina. Mahafinaritra ery ny andro fiakaram-bokatra tahaka izao satria eo no tena mahatonga ny mpiantsena ho betsaka. Fotoana fahatongavan’ireo zanakampielezana, manao fialan-tsasatra ihany koa ka raha mety ny vintana dia mety mba mahazaka sipa avy any amin’ny “ville”.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra