jeu.

17

juin

2010

« Furring » : Firaisana ara-nofo misarim-biby

Tsy mitsahatra mikaroka zavatra hafakely, miala amin’ny mahazatra hatrany ry zareo vahiny momba ny fiainana ara-pananahana. Mahazo vahana any Angletera any indray amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe « furring ».Tany Angletera rahateo no niandohany.Tsy inona akory izany fa karazana hadaladalana iray mikasika ny firaisana ara-nofo. Manafina endrika amin’ny fanamiana biby ny olona hanao“furring”ka mifanome fotoana any anaty ala hanao firaisana ara-nofo fotsiny. Raha tantaraina kely ny nihaviany dia tsotra. Misy izany “furry fandom”izany. Fomba fiteny fampiasa amina zava-kanto sy literatiora, izay mampitovy endrika ny biby amin’ny olombelona manantsaina. Aseho amin’ny sary miaina,na tantara an-tsary na ny toy izany izy io,saingy tsy misy resaka firaisana ara-nofo kosa aloha fonosiny. Misy indray kosa ny « furvert » izay fanafohezana ny hoe « fur » (volomvolom-biby) nafangaro amin’ny hoe « pervers » (miala amin’ny mahazatra, adaladala), izay  natambatra hanana fifandraisany amin’ny ara-pananahana...



Tao amin’ny tanànan’i St Austell, any Cornouailles no niandohan’ny « furring »
ary tena nampamaivay azy. Mivorivory amina toerana akaiky ala ny mpifankatia vitsivitsy, samy manao izay fanamiana biby tiany hanao-
vana.Tao ireo nalaina tahaka avy amin’ny sary miaina,tao ny vokatry ny aingam-panahy fotsiny ihany. Rehefa avy mitafatafa sy misotrosotro dia
miaraka miditra anaty ala ary dia raikitra ny firaisana ara-nofon’ny olombelona misary biby.Ny volom-biby“ours”sy ny an’ny saka no tena maro misafidy. Milamindamina rahateo sady madio rivotra any anaty ala, ka mendrika
hanaovana ny“furring”tsara. Tsy mbola misy toerana natokana hanaovana azy aloha eto amintsika, saingy afaka manandrana azy tsara ihany koa ny mpivady.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra