mer.
16
juin
2010
Tsy hianatra hanisa toy ireo mpianatra any amin’ny garabolatsy akory, fa mba mahalasa saina ihany ity fomba fanisantsika ny Repobika nisy teto ity. Hiroso any amin’ny Repoblika faha-efatra, hono isika ‘ty e! Fa rehefa inona no miova ny Repoblika e? Sa rehefa tiana hovàna dia hovàna? Hiroso amin’ny dimampolo taona vaovao hafa indray isika izao dia ho refesina amin’izany ve ity resaka fanovàna ity sa akory? Hatramin’ilay Repoblikan’ny taona 1958 ka hatramin’izao, dia tsy nisy niova na ny sainam-pirenena, na ny hiram-pirenena. Tsymbola niala tao amin’ny filamatry ny repoblika ihany koa ny teny hoe: « tanindrazana sy fahafahana ». Fa efa nisolosolo kosa nyfanampin’ireo: Fandrosoana, tolom-piavotana, fahamarinana…,ary efa nandalovantsika ihany koa ny Repoblika Malagasy, Repoblika Demokratika Malagasy, ary ny Repoblikan’i Madagasikara.....
Raha tsiahivina ny tantara dia ity repoblika faha-telo tsy mety maty ity no tena nahitana fiovaovana betsaka indrindra kanefa tsy nisy hiakiakan’ny fiovàna repoblika nandritra izany. Efa natao teto ny fitondràna mifototra amin’ny tanjaky ny solombavambahoaka,ny fanjakàna ifaharan’ny faritany mizaka tena, ny fampijoroanany faritra 22, ny namafana ny teny “fahamarinana” ho lasa “fandrosoana” teo amin’ny teny filamatra, efa prezidan’ny repoblika miisa telo no nifandimby sy voafidim-bahoaka mivantana. Izany hoe tsy resaka fiovàna lalampanorenana , na fiovàna rafitra, na fiovànafilohan’ny repoblika, na fiovàna teny filamatra izany akory no atao hoe miova Repoblika. Raha hitarina ny resaka dia mbola azo lazaina ihany koa fa tsy ny fisian’ny fihetseham-bahoaka midina an-dalambe no atao hoe fiovàna. Ka inona ary ity maha-pingapinga ho any amin’ny Repoblika vaovao? Raha hilaza indray ny sasany fa tetezamita dia midika fa hiampita isika, ary tsy maintsy miova, dia diso ihany koa izay satria dia tetezamita no niantsoanany fitondrana nentin-dRatsirahonana niampitana nankeo amindRatsiraka,kanefa tsy niova ny repoblika. Dia lasa ny saina hoe:Inona marina no hatao eto e? Sa tsy Repoblika (manjakavahoaka)intsony no ndeha hatsangana fa zavatra hafa mihitsy? Mety hoady hevitra diso indray mantsy raha resaka fanisàna dia efa mety tsy hampitovy hevitra. Hoy i Dadalala zokinay talohabe izay, “tsy ho hita mitsinjo izy ity ry zandriko malala na ho tsilovin-jiro aza”. Indrisy moa fa lasa natao fihomehezana io zokibe io, satria very saina tanteraka izy noho ny adim-piainana, dia misy kosa ny fitenin’ny ankizy manadrohadro ankehitriny hoe: toa i Kotozafy ihany ity no Alexis e! Ary ny an’ny sasany moa dia tsy te-hivaky loha na repoblika faha-zato aza no hiainana eto, fa dia tsotsoriny amin’ny hoe: “Anontanio iRainibary”.
Ony RAMBELO