mar.

15

juin

2010

Tsy mety leo

Ô Rabenandrasana a ! Tsy hahita-teny firy intsony ry Rabenandrasana ireo mpivaro-kena hafa miseho ho nanohitra anareo a. Teny Behoririka ry zareo no niseho ho nanoko resaka entina handravana ny fivarotantsika, saingy toy ny tsy misy amintsika intsony ry zareo e. Tokony handeha amin’izay anie ny tsenanao ry Rabenandrasana e. Tsy misy manelingelina intsony ianareo ao Analakely ao, ary ireo namanareo mpivaro-kena sy mpananty ran-kena toa manindry vahoaka erak’ity Madagasikara ity anie e. Ireo mpividy hena ao aminareo toa manaraka ambokony fotsiny, satria matahotra ny ho voakapan’ny famaky, na ihany koa ambara ho manakorontana tsena, ka mety hiditra am-ponja. Ny mahagaga dia mbola mikatso ihany ny fahatongavan’ny hena ao aminareo. Ny manavaka ny saosisy sy ny kotoleta aza anie toa tsy hainareo ry Rabenandrasana e. Dia mbola ilay mpivarotra kisoa taloha indray ve no omena tsiny fa nahatonga ny tsy fahaizanareo manavaka ny hena arantirantinareo ao Analakely ao. Ahiako hiteraka olitra ao ireo hena ireo, satria ny mpividy anie ka efa mivily lalan-kafa any Andravoahangy sy Isotry daholo e. Dia ianao midongy tsena no hahafaty ny tantaran’ity tsena ao Anjoma ity. Rehefa tsy misy mividy aloha ny hena ry Rabenandrasana, dia mba omeo trosa kely ao na zarao fotsiny ireto hena ireto, satria mafy ady ny vahoaka e. Sa tsy azo atao izany, satria efa foana sy kikina ny kitapom-bolan’ny mpiompy omby? Veloma ry Rabenandrasana, fa aleoko aloha milaoka anana sy menaka androany, fa ianao toa tanora saina ka tsy mahay mivarotra satria mampandositra kil. Rasoamahazendana-Mpiantsena

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra