mar.

15

juin

2010

Omen-danja ny vahiny, anjorom-bala ny Gasy

Ho avy eto amintsika hono ireo mpanakanto vahiny malaza eran-tany. Hiara-hifety amin’ny Malagasy, satria andro iray toa zato izany hoe feno 50 taona ny nahazoantsika ny fahaleovantena izany. Mila zaraina amin’ny hafa ny hafaliana rehefa tojo toy izao, ary izay angaha no isan’ny hanafarana mpanakanto vahiny malaza eran-tany? Tsy mbola voafaritra aloha hatreto ny “artiste” mety ho avy fa ny resaka mandeha amin’ny haino aman-jery no mitarika ny saina hamakafaka toy izao. Fa angaha tsy manana mpanakanto malaza afaka hanome hafaliana ny vahoaka isika no dia hanafatra vahiny hanafana ny fetim-pirenentsika? Tsy ho avy maimaim-poana ireo, fa karamaina volabe. Dia mba lasa ny saina hilaza hoe, hay ve sahintsika ny manobaka vola tsy toko tsy forohana ho an’ny hafa, saingy tsy sahy manobaka volabe ho an’ny mpanakanto Malagasy kosa isika hatramin’izay, ka hatramin’izao. Nankaiza ry Saotra sy Dera izay natao fitaovana teny an-kianja ny hirany no tsy mba saindaina vola be amin’izao fotoana izao? Ny tsapa mantsy dia tsy mety mandefa iny lalana iny intsony ny ankamaroan’ny haino aman-jery, satria toa faneva teny an-kianja, ka mety hanahirana amin’ny mpihaino? Tsy ho gaga isika raha mbola maro no mafy ady amin’ny artista gasy, satria ny vola fanome ny vahiny sy ny tera-tany tsy mitovy. Sa rehefa voatsipitsipy amin’ny vaza-mihetsika izy ireo, dia efa ampy izay, satria tsy mitovy izany hoe vazaha sy gasy izany?

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    leoandrajoelina (mardi, 15 juin 2010 12:26)

    Ka DJ kosa ve ny putschiste ddia tsy kassav no alaine eh!

  • #2

    aina (mercredi, 16 juin 2010 10:11)

    Dia tena mahagaga tokoa anie ny mieritreritra an'ilay izy e ! fetim-pirenena malagasy dia mpihira avy any amin'ny firenen-kafa no alaina.Izany ve tsy midika fa tsy misy lanjany ny mpihira avy eto an-toerana.Tena hita fa tena mbola voazanaka ny mpitondra ka tsy mendrika akory hankalaza izany fetin'ny fahaleovantena izany.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra