mar.

15

juin

2010

Firaisana ara-nofo « mondial »: Karatra mena

Fiainan’ny zanak’olombelona ny fanaovana firaisana ara-nofo, ka na fotoanan’ny « mondial » aza izao dia tsy azo atao ny tsy hiresaka azy. Ireo mpilalao baolina mandray anjara any Afrika Atsimo mihitsy no asian-teny kely mikasika izany. Afaka manao firaisana ara-nofo sa tsia ry zareo mpilalao ? Samy manana ny fitsipika napetrany ny mpanazatra tsirairay momba izany. Niteraka fialonana tany an-tsain’ny maro ny an-dry zareo mpilalao avy any Argentine, satria navela hanao firaisana ara-nofo malalaka tsara ny mpilalao ao amin’ity ekipa ity rehefa tsy amin’ny andro tokony hilalaovany. Misy fepetra nofaritana kosa anefa dia hoe : tsy mahazo misolosolo olona hiarahana sy ny hoe tsy mahazo misotro toaka.....

Samy manana ny heviny ihany kosa ireo mpilalao momba izany. Nilaza ohatra i Dunga, iray amin’ireo mpilalao breziliana tamin’ny fotoan’androny fa nandritra ny “mondial” no nanamboarany ny zanany lahikely, ka tsy misy antony tokony haharatsy ny fanaovana firaisana ara-nofo mihitsy, na dia hoe miady ny amboara eran-tany aza. Sady izay indray somary lavalava ihany ny faharetany. Raha omena fahazoan-dalana tsara hanao izany ny mpilalao amin’ny ekipa sasany dia tsy mba toy izany kosa ny an’ny hafa. I Allemagne sy Mexique ohatra dia voarara tsy hanao izany raha tsy tafakatra amin’ny dingana fihodinana faharoa. Tsy mametraka olana ny fanaovan’ny mpilalao firaisana ara-nofo ao anatin’ny “mondial” rehefa tsy misy ny fihoaram-pefy tafahoatra sy ny fiovaovana olona iarahana ary ny tsy fanajana ny ora natokana hakana aina, raha ny hevitry ny manam-pahaizana. Araka ny fikarohana soisa indray dia fantatra fa tsy tokony hisy voka-dratsiny amin’ny toe-batan’ny olona mpanao fanatanjahantena ny firaisana ara-nofo ora roa na folo aoriana. Miankina amin’ny mpilalao tsirairay ihany izany sy ny zavatra mety ho zakan’ny vatany, ka izy no tokony handanjalanja ny vokatry ny ataony. Toy ny resaka sakafo ihany io, ka an’ny tsirairay no mamosavy ny tenany. Monica

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra