mar.
15
juin
2010
Ny 13 mey lasa teo no voafidin’ireo mponina matsaka rano amin’ny paompy ao Avaratanàna, Antehiroka, boriborintany fahenina, ny birao vaovaon’ny Fikambanana Rano Madio.Tsy ankatoavin’ny sefo fokontany anefa ireo birao voafidin’ny maro an’isa ireo fa ny taloha ihany no tiany tazonina. Efa ho 7 taona moa no nisian’ity fikambanana ity izay mitantana ny paompy ao Avaratanana. Tsy demokratika, hoy ny sefo fokontany nefa tena demokratika tokoa no nahavoafidy ireto birao vaovao. 450 eo ho eo novoalaza fa mpantsaka rano ao nefa ireto birao vaovao dia mahita fa any amin’ny700 any.....
Tapaky ny mpampiasa rano fa tazonina ihany ilay Ar 200 sarany rano isambolana. Ireo birao taloha dia miziriziry amin’ny Ar 10 isaky ny eran’ny « seau ». Raha ny nambaran’ireo mpampiasa rano dia tsy misy vola efain’ny fikambanana any amin’nyJirama izany. Izay ela izay dia tsy mba nahavita nanafona na natsara ny paompy ny birao teo aloha. Mbola maroan’isa moa ny olona sahirana ao amin’ity fokontany ity ka tsy afaka manoatra . Ireo birao vaovao moa no nanolony « robinet » simba tsy ela akory izay. « Asio fididianana indray ho hita eo hoe iza noho lany raha tena manaja demokrasia ny fokontany », hoy ny tenin’ity mpampiasa rano iray. Mila jeren’ny boriborintany akaiky ny olana mahazo ny mpampiasa rano ao Avaratanana, eny fa na ny ministeran’ ny Rano aza satria aina ny rano. Isika aza moa mikasa ny hanondrana rano any am-pita nefa ny eto ambanin’ny maso aza odian tsyhita. Tsy fotoan’ny didin-kofehy lehibe izao, izay manome endrika ratsy ity fitondrana tetezamita ity.