mer.
16
juin
2010
26 jona 2010. Taon-jobily ho an’i Madagasikara izany, satria mankalaza ny 50 taona nahazoany fahaleovantena izy. Tsy mitempo ho amin’izany firy anefa ny fon-dRamalagasy ary mbola manjavozavo sy mahavalaketraka izay 50taona nahaleovany tena izay, raha hanaovana jery todika fohifohy. Vahoaka firifiry amin’izao fotoana izao no fadiranovana sy sahirana mitady izay harapany isan’andro ? Mahazo vahana isaky ny mihetsikany tsy filaminana ara-politika izay miteraka voka-dratsy ara-toe-karena sy ara-tsosialy ary fahantrana lalina ho an’ny vahoaka....
Ny fananan’ny firenena iray ny fiandrianam-pireneny no ilazana azy hoe firenena mahaleo tena. Manana ny lalàm-panorenany manokana izy, mahaleo tena tanteraka, tsy manaiky baikobaikoana na fehipehezina na gejain’ny firenena hafa. Aiza ho aiza i Madagasikara manoloana izany ? Manana ny fiandrianam-pirenena ve ho voatosiboho-tanana tamina fivoriana niarahan’ny vondron’ny firenenamikambana, eny hatramin’ny vondron’ny firenena afrikana ? Manana fiandrianam-pirenena ve tsy hahay hifampiresaka samy malagasy fa dia mila vahiny hampiray ? Manana fiandrianam-pirenena ve ho baikoan’ny mpamatsy vola amin’izay itiavan yazy sy metimety amin’ny tombontsoany lava izao ? Toa tsy midika zava-dehibe ho an’ny Malagasy intsony izany fiandrianam-pirenena izany ankehitriny, amin’izao fahantrana mianjady amin’ny sarambabem-bahoaka izao, hany ka vitsy sisa ny tokantrano ahitana saina mitsangana amin’izao fetin’ny fahaleovantena izao. Ny fahaverezan’ny kolontsaina malagasy tsy lazaina intsony. An’ny Malagasy tsirairay ny fiandrianan’ny fireneny. Tokony ho sarotiny sy hirehareha amin’izany izy. Fotoana tokony hahatongavan-tsainasaina izao taon-jobilin’ny firenentsika izao. Ndeha hiarahamerina indray ny hasin’ny fihavanana sy ny firaisankina, ny soatoavina malagasy. Ireo no tena antoky ny fiandrianam-pirenentsika, iankinan’ny kolontsaina maha-malagasy antsika. Manomboka any amin’ireto mpanao politikantsika, izay tokony hitoetra ho maodelin’ny Malagasy rehetra an-tapitrisany. Tsarovy fa manana ny sainam-pirenentsika isika dia ilay miloko fotsy maitso mena. Ny mena mariky ny fiandrianampirenena, ny fotsy milaza ny fahadiovana sy ny fahatsoram-pon’ny Malagasy ary ny maitso mitory ny hamaroan’ny harena ara-voajanaharintsikana ihany koa ilay maitson’ny fanantenana fahifarana izao fanosihosena ny fiandrianam-pirenentsika izao indray andro any. Ny teny filamatra aloha hatramin’izao dia ny hoe : tanindrazana, fahafahana, fandrosoana. Hotanteraka tokoa anie izany.
marina mihitsy fa tsy misy izany fiandrianam-pirenena izany. aza omena tsiny ny olona tsy manangan-tsaina satria ilay fiandrianam-pirenena mihitsy anie no voahosihosin'ny vahiny amin'izao fotoana e.
