lun.
14
juin
2010
Tsy le-Rabenandrasana mpamaky Basy vava akory io,fa Rabenandrasana etsy Analakely. Anarana tanim-boanjo izy ity ka aza tezitra izay mitovy anarana amin’ilay rangahy ratsy taiza tetsy an-tsenan’Anjoma fahiny, saingy mbola mitoetra ny tantarany manoloana ny trangam-piaraha moninaankehitriny. Raha hividy hena maka maro tao akaikin’ny vary mitsangana tamin’ny fotoan’andro ingahy, dia miady varotra mba ho latsaka amin’ny tena vidiny ara-dalana. Ôtsinona ny kilao razoky ? Efa-polo sy telon-jato. Ataovy telon-janto, de maka lôpolo kilao zay. Andraso kely ary aloha lazoky hiera kely amin-dRabenandrasana zay e. Miverina avy any le mpivaron-kena, ary asosany eo ambony latabatra ny vato mizana milanja dimy kilao iray, no sady miteny izy hoe nanaiky Rabenandrasana e. Dia lanjaina ny hena loapolo kilao an-djazoky, saingy hay vato mizana loaka ny vodiny, ary very eo amin’ny antsasa-kilao amin’ny ara-dalana lekilaon’ny hena. Tena marina io, ary nalaza hatramin’izaoio Rabenandrasana io, saingy entina hilazana ny raharaham-pirenena ankehitriny kosa ny momba an-dRabenandrasana manomboka izao. Araho ary ny tantarany amin’ny manaraka.