lun.
14
juin
2010
Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby teo amin’ny Magro Behoririka ny Filoha Ravalomanana ny Sabotsy 12 Jona 2010 teo. « Minisitra tsy ara-dalana io, ary fitondrana tsy eken’izao tontolo izao”, izy ireo no tokony ho samborina” hoy ny filoha raha namaly ilay ilay resaka nataon’i minisitra Fat Christine Razanamahasoa izy.Mahakasika ilay raharaha 07 febroary dia nambarany fa matahotra ny hanangana ilay fanadihadiana iraisam-pirenena ny Fat satria ho fantatra eo daholo ny marina rehetra, na ny raharaha 07 febroary na izay tranga teo aloha na ny izay taty aoriana.
Tsy misy intsony ny fitsarana azo ianteherana, tsy manaja ny fenitra sy fepetra iraisam-pirenena amin’ny sehatra rehetra ny fitsarana ao Madagasikara, tondro-molotra fotsiny dia efa mampigadra ary ny minisitra no manome baiko ny fampigadrana hoy ihany ny Filoha Ravalomanana.
Manoloana ny feo mandeha fa raha tafaverina eto an-tanindrazana izy dia hisy ny fisamborana sy ny valifaty, mazava ny teniny fa tsy hanao izany izy ary tsy hieritreritra hanao izany mihitsy. « Ny hampanjary ny demokrasia no imasoako ary ny hamerina ireo orinasa nikatona, hanamafy hatrany ny fifandraisana amin’ny mpamatsy vola sy hijery ny fiainam-bahoaka ».
Teo am-pamranana moa dia nandrisika hatrany ny vahoaka ho tonga maro eo amin’ny Magro ary nampanantena hatrany fa “hiverina” : “mijoroa hatramin’ny farany, tsy maintsy mandresy isika, manana faharetana”.
Tongava dada a fa mijaly ny vahoaka.Jesosy Kristy anie momba anao.
tsara be le sarin'ny Dada mijery baolina kitra.
Dada o henoy le hira anthem malagasy,dia ho hitanao hoe alavitra ny malagasy ianao.mila anao ny malagasy.
vonona ny ho minitre-fitsaràna @ andronao zaho fa tsy mila HAT na CENI ZAHO FA TSAHO FOTSINY ZAHO HOE MEMBRE ceni
