sam.
12
juin
2010
Hitety izao tontolo izao ny sarimihetsika malagasy Malok'ila. Fantatra izany taorian'ny nanaovan'ny orinasa “Scoop digital” fandraisana horonan-tsary tany Frantsa. Ampahany no natao tany Frantsa fa mbola mampisongadina ny tantara ny eto Madagasikara. Araka ny nambaran'ny talen'ity orinasa mpamokatra sarimihetsika Malagasy ity dia fehin'ny tantara Malok'ila niseho hatramin'izay ity nampitondraina ny lohateny hoe “Malok'ila 8 jours en France”. Amin'ny sabotsy izao no haseho voalohany eny amin'ny trano fandefasana sarimihetsika ity vokatra farany ity. Faritra 4 ivelan'Antananarivo no indray hamoaka ny fampisehoana voalohany, anisan'izany ny ao Toamasina, Bongolava, Alaotra Mangoro ary ny eto an-drenivohitra. Ny Malok'ila manaraka, izany hoe ny 9 - 10 sy izay mbola ho avy dia hitety firenen-tsamihafa avokoa.....
Olana ho an'ny mponina eto an-drenivohitra ny trano fandefasana sarimihetsika. Lasa trano fivavahana ny trano fanaovana fialamboly rehefa alahady ka izay no mahatonga io filma io mivoaka sabotsy. Tokony hojeren'ny minisitera tokoa ireny satria tsy voatokana ho an'ny sarimihetsika mihitsy ny RITZ sy ny REX;
Fampisehoana 300 no ho tanterahana alohan'ny hamoahana ny CD miisa 100 000 ho an'ny mpanjifa. Ny ambangovangon'ny tantara dia milaza ny zava-misy sy manome lesona ho an'izay rehetra mijery azy na eto an-toerana na any ivelany. Misongadina amin'izany ny fomba amam-panao.
Hahazo ny anjarany koa ny any Frantsa satria hisy ny fivarotana ny sarimihetsika amin'ny alalan'ny “site internet”, ary ny tantara dia hisy amin'ny teny frantsay. Ekipa miisa 13 no nanatontosa ny asa tany Frantsa, ka ny 3 amin'ireo ihany no mpilalao avy aty Madagasikara, niampy teknisiana 7.
Nomarihan'ny talen'ny orinasa, andriamatoa Mamitiana fa tao anatin'ny 8 volana no nanomanana ny “Malok'ila 8 jours en France” ary nandaniana vola Ar 80 tapitrisa.
HERY A