sam.

12

juin

2010

Firaisana ara-nofo: Miovà « style » raha te hahazo fafiny

Iza kosa ny mpifankatia tsy mba manonofy miala amin’ny mahazatra mikasika ity fitiavana sy fanaovana firaisana ara-nofo ity. Anisan’izany ny fanovanovana ny toerana hanaovana azy. Ireto misy toerana azo andramana.

Ao anaty fiarakodia

Mety ho tery ny fiarakodia nefa azo hanaovana firaisana ara-nofo tsara, ialana amin’ny mahazatra. Mora miakatra ny hafanana ao ary toy ireny mpilalao sarimihetsika « Titanic » ireny ianareo roa. Ny tsininy fotsiny dia lazain’ny olona fa mitondra loza ho an’ny fiarakodia ny fanaovana an’izany.

Ao amin’ny trano fidiovana

Amin’iny maraina misaika iny, na amin’ny alina mialoha ny hatoriana dia samy azo hanararaotana hiarahana ao amin’ny trano fidiovana avokoa. Ny miala amin’ny fandriana mahazatra no antony. Mitondra hafinaretana kokoany miaina an’izany, indrindra raha tsy omanina firy ny fanaovana azy. Tsara kosa aloha raha akatona tsarany varavarana mba tsy hisy hanelingelina.......

Any amoron-dranomasina

Ny eto an-drenivohitra dia tsy afaka hiaina an’izany, raha tsy hoe mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra angaha. Mahazo tombony kosa ny any anindran-tany. Amin’iny mody masoandro iny no tena tsara, satria mifangaro ao ny faniriana sy ny aingam-panahy. Safosafo vita ho azy ny feondranomasina manonja sy ny rivodrivotra. Saingy mety ihany ny mivatsy lamba kely hatoriana satria mety hanelingelina ny fasika mifampikasoka amin’ny vatana.

Eny amin’ny bozaka

Ny alahady matetika nofotoana fanaovan’ny olona sasany an’izany, rehefa mahazo fotoana ivoahana mitsangatsangana mampiaraka iny. Azo avadika ho fandriana tsotra izao ny bozaka malemilemy. Afaka miara-mihanoka ny hatsaran’ny natiora ianareo roa no mifoka rivotra madio rahateo eo am-pizarana fahafinaretana. Tandremo fotsiny ny bibikely toy ny moka tsy hanimba ny fotoana maminareo.

Any amin’nytoeram-piasana

Betsaka ireo manana faniriana miafina mamisavisa an’izany firaisana ara-nofo any anaty birao izany. Azonao atao tsara izany mandritra ny ora tsy iasana, rehefa ianao samirery iny no ao. Mitondra fahafinaretana tsara ny mangalangalatra manao an’izany, indrindra any amin’ny biraon’ny olona tsy azo idirana. Tandremo fotsiny ary sao tratra ka hivadika ho zavatra hafa indray ilay fahafinaretana nandrandraina teo. Inona indray no mahafinaritra mihoatra noho ny mifanafosafo ao amin’ny maizina ao, eo am-pijerena sarimihetsika. Raha afaka misafidy fotsinydia aleo ny horonan-tsary tsy be mpitia no iarahana mijery sy hanaovana an’izany, mba tsy hahabetsaka ny olona tonga hijery. Amin’iny fotoana fanombohan’ny horonan-tsary iny no hanombohana ny firaisana ara-nofodia misy tsirony kokoa. Fa izao kosa no tsy tokony hadinoina. Mety hiafara amin’ny fidirana am-ponja ny fanaovana zavatra mamoafady imasom-bahoaka. Kendreo araka izay azo atao ny tsy hanelingelenana ny hafa rehefa miovaova toerana ianareo roa.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra