sam.
12
juin
2010
Mahagaga mihitsy ianao ity Rabenandrasana an ! Nisy mpitsidika ianao tato ho ato, dia manambara fa manao sesilany ny olona manaiky ny fitondrana ny tsenanao. Efa bobaka aloha ilay izy e. Toa miantsena eo aminao avokoa ny vazaha sy karana ary ny mpivavaka avy any ivelany. Manao tohivakana hoy ny hafa e.
Raha jerena anefa ny vola matinao isan’andro ao an-tsena ry Rabenandrasana, dia zara raha misy avadika entana hafa ny ampitso. Dia maty antoka lava eo ianao Rabenandrasana, satria any an-kafa avokoa ny olona no mividy hena fa tsy eo aminao......
Ny vazaha avy any Eoropa izao efa tsy miantsena eo aminao intsony satria toa tsy manarapenitra ilay tsena tantananao samirery. Toy izany ny olona atsy Afrika, ary toa nanome sazy anao sy ireo mpiara-miasa aminao mihitsy izy ireo. Ny Amerikana aza toa efa ela no nandrotsaka ny sazy, ary dia marobe ny olona very asa noho izany, ary dia tsy afaka miantsena eto aminao. Io ilay antsoinay mpiasan’ny zone hoe AGOA.
Fa nahoana raha mifampiraharaha amin’ireo mpivarotra namanao eto Analakely ry Rabenandrasana, dia hifanarahana eo izay hitondrana ity tsena be manan-tantara eto Analakely ity e? Izay mpividy mandalo eto isan’andro anie ka efa sahirana mihitsy amin’ity adinareo mpivaron-kena ity e. Mazotoa aloha Rabenandrasana, fa ndeha hividy voatabia sy tongolo etsy ankilanao etsy aho, satria maika hahandro ny sakafon’ny mpianatra a.
Rasoamahazendana mpiantsena