sam.

12

juin

2010

Alefa Baréa a !

Ireny ny olona rehefa manao zavatra ! Mivanàka, mitazana sy mitanatana vava fotsiny ny Gasy eo am-pijerena ny fandrosoan’ny olona. Vitany ny nandray ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany ho an’ny baolina kitra. Ary tsy nitsanga-menatra izy. Tadidio fa firenena anisan’ireo ROAPOLO matanjaka indrindra eto amin’izao tontolo izao i Afrika Atsimo. Averimberina hatrany fa tsy nifanalavitra tamin’i Madagasikara ny fandrosoana nananany raha ny efapolo taona talohan’izao no handrefesana azy. Ny antsika fivoriana iraisan’ny Afrika fotsiny aza, nifandrimbonana ny tsy hahatanteraka azy. Indrisy ry fireneko! Tsy nisy ady an-trano mahatsiravina akory teto, na fanavakavaham-bolo-koditra niseho masondro, na fipoahana baomba nokleary, na loza voajanahary naharava firenena iray manontolo.TSY NISY IZANY. Fa mbola eto ihany isika e! Maniry ny fandrosoan’ny olona hatramin’izao......

Tsy mety mahatsapa ny tena hoe: firaisan-tsaina izany mihitsy ny tera-tany malagasy, kanefa dia mihambo ho tompon’ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Tsy mety ho tsapantsika mihitsy ny fahendrena nananan’ireo tena raiamandreny taloha nilaza fa ny heloka hibaboana anie mody rariny e! ary ny marina hitompoana mody heloka. Fankalazana ny fetim-pirenena avy ity, aty amin’ny faha-50 taona niainana izany, dia mbola hifanentanana ihany ny fananganan-tsaina. Tsy tokony handeha ho azy ohatra ny karatr’i Naivo ve izany raha tena maharesy lahatra ilay vahoaka mponina eto tokoa fa tokony hifaly izy noho ny fitiavany ny fireneny? Fa matoa mihisatra sy mangingina izany dia misy tsy mahafaly azy ao. Aza terena handeha alohan’ny fihavanana ireo fetifety sy ny lanonana mety ho fifandatsàna fotsiny. Ny olana amin’ity fahefana mitondra antsika ankehitriny ity dia tsy misy hirika intsony ahafahany hanemotra ny fetim-pirenena, fa raha azony natao izany dia nataony tokoa. Firifiry moa ny zavatra tsy azo inoana akory ny hahatanteraka azy kanefa dia noteren-ko masaka fotsiny hatrany hatramin’izany herintaona mahery kely izay? Omena tsiny hatrany ny hafa (na ny eto an-toerana, na ny any ivelany) ho fototry ny tsy fahombiazana. Dia ny an-tanam-botsitra ary ny nantenaina tsy azo e! aleo aloha hifandrebireby saina sy hanofinofy ny fizotry ny mondial, fa io izao no malaza sy mba hanadinoina ny olam-piainana andavan’andro. Dia miara-mijery fety hafanain’ny artista vahiny nafarana manokana hampirevy ny Gasy sy ny revin-gadrany. Matezà ny aina e!

“Fa raha misy mihambo ho masiaka any ho any, ny aty vainafo mandoro avy hatrany”…Rahoviana tokoa re ny Gasy vao hiray feo sy saina toy izany ka tsy hanao akora lava ny tombontsoa iraisan’ny firenentsika e? Raha vao misy mitady hijabaka eto hamingavinga sy hanesoeso dia hitovy tokoa ny fijery…Ho lasa lavitra isika amin’izay ka hiaraka hihiaka ny <alefa Baréa> rehefa anjarantsika ny mandray ny mondial e. Raha tsy hoe hovàna indray koa ny anaran’ny ekipantsika amin’izany? Ny lamaody manko izao dia ny manova! Ento mora ihany ‘Ndrematoa a!

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra