sam.

12

juin

2010

50 taona nahazoana ny fahaleovantena: Mbola hanjakan’ny vahiny ny tanàna

Te-handeha irery nefa tsy mahazaka tena. Mbola miankin-doha tanteraka amin’ny any ivelany ny firenena malagasy hatramin’izao. Be ny asa vitan’ny mpanjanan-tany teto, ary mbola lovain’ny taranaka fara aman-dimby hatramin’izao.

Namoizana aina Malagasy maro anefa ny fanandevozana nentin’ny vazaha teto. Malagasy maro no ripaka, ary harena maro teto no nanjakazakan’izy ireny. 50 taona aty afara niverenan’ny fahaleovantena, isika rehetra no mitsara ireo mpitondra nifandimby hatramin’izao tetezamita izao.

Asa fa tsy kabary no teny filamatra nentin’ny filoham-pirenena Philbert Tsiranana tamin’izany. Boky mena kosa ny an’ny filoha lanim-bahoaka Didier Ratsiraka. Izay no angady nananana ireo Oniversite manerana ny faritany enina eto Madagasikara. Ento miakatra ity firenena ity. Io kosa no nambaran’ny filoha mbola lanim-bahoaka Zafy Albert. Izaho no nambara fa rain’ny demokrasia......

 

Mino fotsiny ihany kosa ny filoha lanim-bahoaka Ravalomanana. Ny lalana no vaindohan-draharaha nataony teto. Niroborobo io, ary maro no nanambara fa tsy azo hohanina ny lalana, saingy misonanina amin’izany avokoa ireo bebe vava tamin’izany. Nifandray tamin’ny firenena maro io filoha io, ary nitobaka ny vola, izay nolovain’ity FAT ity. Tsy nisy asa vita kosa hoy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, nandritra izay 50 taona izay. Fomba fijeriny io, satria misy ireo asa mitoetra ahafahana mitsara izay olona nitondra teto.

Milaza ho tsy tia vahiny isika nefa mbola izy ireo no hilàna vonjy. Faly ny hafa rehefa tsy mankato izao fitondrana tetezamita izao ny firenena eran-tany. Tombony ho an’ny mpanohitra ankehitriny io, satria fepetra iray ahafahana manery izao fitondrana izao hiara-mitondra ny tetezamita. Mirehaka ho mahavita tena ihany koa anefa ireto mpitondra FAT ireto, satria tsy mahita rirany amin’ny firenena eran-tany. Misy mihitsy no milaza fa tsy afaka mandeha irery isika, saingy atao manaka-danitra ny vaovao rehefa mba misy masoivoho manolotra ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto. Entina hilazana ireo fa mba misy ihany firenena telo na efatra mankato ny fitondrana ankehitriny. Omen-tsiny ireo firenena mampihavana antsika, ary ambara fa isika samy isika ihany dia efa mahavaha ny krizy, saingy io mbola hiarahana mahita io ny afitsony. Sarotiny isika amin’ny fiandrianam-pirenena, nefa mbola amidy amin’ny vahiny ny harentsika raha tsy hiteny afa-tsy ny hazo sarobidy sy ny vy ao Soalala. Mahaleo tena marina ve isika sa ahoana e? Ny tsapa dia firenena tsy afa-misaraka amin’izao tontolo izao isika, satria ny 70% ny vola miodina eto, dia fanampiana avy any ivelany avokoa. Tsy nahavita namaha olana ihany koa ny samy Malagasy, matoa mbola miaina ao anaty krizy ny isan-tokan-trano. Ka ilaina sa tsia ny vahiny? Tsy mitoetra ve ny hambom-po Malagasy raha mitsabaka mandamina antsika izao tontolo izao? Sa rehefa tsy mety amin’ny mpitondra, dia lazaina fa isika samy isika ihany sisa no tokony handamina ny raharaha eto? Fanontaniana mila valiny avokoa ireo, indrindra fa 50 taona be izao no nambara fa mahaleo tena isika eto. Hatreto aloha, dia 50 taona nanjakan’ny vahiny no hita ary nanjakazakany hatrany ity nosy ity, matoa hifandroritana toy izao ny tranga misy eto amin’ny firenena.

Basy vava 

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra