ven.
11
juin
2010
I z y n o f i l o h a n ’ n yAntenimieran-doholona voalohany tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana Marc. Ankehitriny, anatin’nykrizy i Madagasikara, ary dia nanangana ny antokony izy, dia ny Mamafisoa(MAlagasy MAndroso aoanatin’ny FIhavanana sy nySOAtoavina). Resadresaka fohy.
Basy Vava (BV) : Ataoinona indray antoko politika,anatin’ireo be dia be efa misy ?
Rajemison Rakotomaharo (RR) : Mazavaho azy fa matoa manangana antoko politika dia mikendry ny fampandrosoam-pirenena. Araka ny anarana entinay dia ny hamerina ny hasina naha-Malagasy ny Malagasy hatramin’izay, na eo anivon’nyfiaraha-monina, na eo aminny fiharian-karena sy fampandrosoanana eo amin nytontolo iainana indrindra faeo amin’ny lafiny ara-tsosialy, no itsangananay.
BV : Handeha atsy ho atsy ny Fitsapan-kevibahoaka, « dialogue », fifidianana. Aiza ho aiza Mamafisoa ?
RR : Efa tolo-kevitray teny amin’ny Teny Ifampierana (4-5 martsa 2010) ny fihaonambe hanomanana fitsapankevi-bahoaka. Tsy hitanay izay olana tsy handraisana anjara, na ho inona na ho inona no hiantsoana ny fihaonana. Efa fanambaranay tamin’ny fijoronay koa fa manana olona hatolotra amin’ny fifidianana rehetra isan’ambaratonga ny MAMAFISOA, raha fehezina :vonona izahay.
BV : Ka hilatsaka hofiloham-pirenena ve ianao, rahoviana ny fanambaranaizany ?
RR : Ny filatsahan-ko fidina isan’ambaratongany ato amin’ny Antoko MAMAFISOA dia tsy andraikitry ny olontsamirery izany fa andraikitryny rafitra sy ny fandaminan’ny Antoko.
B V : MAMAFISOA ve nanolotra hevitra @Constitution?
RR : Tsy hevitra fotsiny no natolotray MAMAFISOA fa volavolan-dalàmpanorenana mihitsy izay heverinay fa hampandroso ny firenena Malagasy izay mifototra amin’ny « Fihavanana sy nySoatoavina » ka an’isan’izany ny fanomezana sehatra ireo Raiamandreny dia ny olobesy ny Ampanjaka izay hitanany toeran’ny mpanelanelana isan’ambaratongany rahamisy ny olana mitranga, ary izany dia ny mba hahamarintoerana ny firenena Malagasy mandritra ny Repoblika hoavy. Noezahinay ny nametraka ireo mba tsy hiverenan’ny krizy matetika eto Madagasikara. Tokony hisy foana ny fifanakalozan-kevitra, manaja ny Fihavanana sy ny Soatoavina maha-Malagasy antsika.
BV : Andriamatoa filoha, manalasala ny mijery anao tsy dia hita miaraka loatra intsony amin’ny TIM. Manao ahoana ny fifandraisanao sy ny filohan’ny repoblika teoaloha, indrindra mikasika ny fivoizana ny fampandrosoana an’i Madagasikara ?
RR : Hoy ianao hoe :eo amin’ny fanohizanany fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny tokony hojerena amin’io fanontanianao io dia ny fampandrosoana ny Firenena fa tsy ny Antoko izao na izaroa , Ny fifandimbiasan-toerana sy ny fifandimbiasam-pitondranano misy fa ny fanohizana ny fampandrosoana dia mitaky ny fanohizana ny fiainam-pirenena (Continuitéde l’Etat), satria maro amin’ny asa fampandrosoana eto amintsika dia manaraka fenitrasy fifanarahana iraisampirenena (normes et traitésinternationaux). Izay nohanamafisako hoe : tokony ny Firenena ihany no jerena fa tsy antoko politika raharesaka fampandrosoana. Amin’ny volana septembra sy oktobra 2010 izao, dia hanao tomban’ezaka (évaluation) mikasika ny Tanjona Fampandrosoana amin’ny Taona Arivo Fahatelo(OMD) isika any New York. Ny hanaovana tomban’ezaka any dia ny Tanjona vitan’i Madagasikara fa tsy ny vitan’ny Antoko. Nangonin’i Raivobe