ven.
11
juin
2010
Manalasala toa vozon’akoho ny fizotran’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. « Afoy toa hena, tsakoina nefa toa taolana ». Ireo nolazaina fa fanapahan-kevitra « lehibe », noraisin’ingahy Andry Rajoelina hirosoana amin’ny « fanovana » nofaritany nandritra ny hetsika an-dalambe tamin’ny taon-dasa, tsy misy hita soritra na dia ny fanombohan’izany akory aza. Ny nitranga-nihemotra toa lelon-jaza aza matetika no tsikaritry ny mpanara-baovao tamin’ireny karazana fanapahan-kevitra noraisiny ireny. Mbola niala nenina, niandry ary nanakisaka mihitsy ireo fe-potoana nomeny hiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny manara-penitra (retour à l’ordre constitutionnel) ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary nanolotra soso-kevitra niombonan’izy rehetra ny « hametrahanafitondrana tetezamita iarahan’ny ankolafin-kery efatra mitantana »hahatongavana amin’izany fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ankatoavin’izao tontolo izao izany.....
Tsy nety tafita anefa izany fa zary toy ny « antso an’efitra » ihany noho ny fiovaovan-kevitry ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita (FAT). Mbetika manaiky ny fanapahankevitra notapahany miaraka tamin’ireo filohan’ny ankolafy telo hafa, mbetika mandà ary mandrava samirery izay nifanarahana sy nataony sonia mihitsy aza. Dia nivoaka niditra teo izy, ary nanao tampody fohy indray rehefa nidona tamin’ny rindrina. Dia izay « niverin-dàlana toa fanoron-dratsy » izay hatrany nofomba nitondrany ny firenena. Hany ka na dia nihevitra ny « hampihinam-bela » ireo mpanao politika mpifanandrina taminy aza izy, diany mponin’I Madagasikara nitazam-potsiny ny fomba filalaonymihitsy no lasa « matim-bela » fa noravany sy natsingolony hatrany ny akalam-panorona isaky ny mila ho very laka hifaharana ka tsymaintsy « hihinam-bela » ny tovolahy. Dia hanontany tena ve isika raha toa ka manao tohivakana nysazy taorian’ny nampiharan’ny Vondrona Afrikana noho ny tsy fampiharana izay nifanekena ? Efa mihatra koa izao ny sazy avy amin’nyVondrona Eropeana. Ka fianakaviambe iraisam-pirenena na firenenavahiny efa manana ribam-piainana manara-penitra sy manaja lalànaiza no hanohana mpilalao tsy manaja fitsipika ?Toa tsy mampalain-komana ny FAT anefa izany, raha ny nambaran’ireoministra samihafa tato ho ato no dinihina. Raha fehezina nyvoalazan’izy ireo dia « tsy mahaory azy ireo ny vola fa manana nyampy sy izay azo asolo ireny vola very noho ny sazy ireny ny mpitondra,mba hanatanterahany ny asa fampandrosoam-pirenena ». Ireo firenena efa lasa lavitra amin’ny « fandrosoana » toa an’i Turquie, Pakistan, Vatican rahateo efa nambaran’ny mpitondra fa mankatony fitondrany, ka tsy mampaninona azy ireo raha izay famatsiambolan’nyVondrona Eropeana « tsy nahitany tombon-tsoa » ho an’nyfireneny.Dia inona ary no nitavozavozana hatrizay dimy ambin’ny folovolana izay raha nisy ihany ny vola kirakira tao ? Ary inona no nivezivezenatoa firaka atakalo tany ivelany tany, fa tsy tonga dia natombokanampiharina ny fampanantenana rehetra hanovana ho amin’ny tsara kokoa ny fiainam-bahoaka ?