jeu.

10

juin

2010

Mihinana vidim-by

Taloha dia misy olona mitady tavoahangy ho vidiana any anelakelan-trano rehetra any. Niova izany ankehitriny, hita amin’ny filazàna an-gazety na soratra mibaribary etsy sy eroa fa “mividy vy”. Dia tonga eto tokoa ny mpividy vy, ary nanome vodiondrim-barotra amin’ny antsasany avy hatrany (tamin’ny alalan’ny taratasim-bola?). Dia hihinana vidim-by izany isika manomboka izao. Misokatra sy manga ny lanitr’i Gasikara fa azo atao daholo izao ny tetik’asa goavana rehetra. Ny vola tsinona efa misy. Ary aza miseho ho Katôlika alohan’ny Papa eo koa fa ny <Solontenany> eto amintsika aza efa nanolotra ny taratasy ahafahany miasa sy monina eto....

Fa iza tokoa no faizin’izao tontolo izao amin’ity sazy miraraka toy ny havandra ity e? Aty amin’ny faritra misy antsika dia voahilika isika, nahantona tsy mpikambana amin’ireny vondrona iraisam-pirenena ireny. Tsy tongatonga ho azy ny toe-javatra iainana amin’izao fotoana izao fa efa misy fitohizan-javatra sy antonantony marobe ka nanao randra-tarihina hatraty amin’ity fiatoan’ny famatsiam-bola ataon’ny vondrona Eropeana. Tokony hijery lavidavitra kokoa amin’izany izy ireo ka tsy maintsy nandany mondron-kery tsy hahafoana ny MCA, nyAGOA, ny fikatonan’ny orinasa maro. Ny mahagaga dia mifanome tsiny hatrany ny mpanao politika manoloana ny zava-misy ka manjary ilay vondrona iraisam-pirenena indray no lazaina ho tsy mahalala ny fanovàna tian’ny malagasy hatao. Ireo rehetra mpomba izao fitondrana tetezamita izao ve raha naka ny fahefana dia hitarika ny Malagasy ho faizin’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena no nandresen-dahatra ny mpitolona teny an-kianja? Tetika hampandehanana sy tsy mitsinjo lavitra no hifandresen-dahatra eto? Vonjy tavan’andro? Tandra-metaka? Tip-top? Tsy tokony hitsara tena ve izay mampihemotra lava ny fifampidinihana ka ahafahana miverina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray? Mbola tsy maintsy hamidy hatramin’ny akoho mikotrika, ny harmonian’i Dadabe, ny kiraron’i bebeRangory raha izao no mitohy…Ndeha hihinana ny vidim-byaloha, dia miketrika hitady vola hafa indray avy eo, fa rahoviana moa vao ho lany ny harena sy ny lovabe napetraky ny razanae! Sendra izay vahoaka tsy mahalala izay hahafaty azy tsinona I Madagasikara ka hiara-hirona hankalaza ilay filatsahana aoanaty lavaky ny fahaverezana. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra